airtel

Actualités

06-févr-2026

200 taona ny Trano printy FJKM

Trano fanontana boky tranainy

Sample post image

indrindra eto Madagasikara

06-févr-2026

Feno 200 taona ankehitriny ny Trano printy FJKM Imarivolanitra na trano fanontana boky tranainy indrindra eto Madagasikara izay an’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara. Fitaovana nentin’ny misionera anglisy avy amin’ny LMS na ny London misionary society rehefa tonga teto izy ireo ny taona 1818 izany mba hanapariahana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy eto Madagasikara, hoy ny fanazavàna. Tonga teo Ambatonakanga tamin’io taona io izy ireo fa ny 21 novambra 1826 no nahatongavan’i Charles Hovenden, mpahay printy, nitondra ny presy fanaovam-printy avy tamin’ny foibe LMS tany Londre. Ny 4 desambra 1827 no vita ny printy voalohany indrindra teto Madagasikara dia ny boky voalohany ao amin’ny Baiboly Kristianina na ny Genesisy 1, 1-23. Ny 21 jona 1835 no vita printy ny Baiboly manontolo. Resy lahatra ny FJKM fa mbola manana ny toerany ny asa printy eo amin’ny fampandrosoam-pirenena na eo aza ny fivoaran’ny tekinolojia. Fampitaovana ny trano printy Imarivolanitra amin’ny milina mifanaraka amin’ny vanim-potoana ankehitriny no ho tsangambaton’izao jobily faha 200 taona izao, noho izany. Hisy ny fotoam-pivavahana ho atao eny amin’ny FJKM Tranovato Faravohitra ny alahady 8 febroary 2026 izao, amin’ny 2 ora sasany hariva, ho fanamarihana ity vanim-potoana ity ary hanasàna ny Kristianina rehetra. Ny alahady 17 aogositra 2025 moa no nanokafana izao fankalazàna izao tao amin’ny FJKM Salema Vaovao Taolagnaro. Ny 21 jona 2026, amin’ny 2 sasany hariva ao amin’ny tranovato Ambatonakanga kosa no ivon’ny jobily ary ho faranana ao amin’ny Paroisse internationale Andohalo izany ny sabotsy 21 novambra 2026, raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

ady amin'ny kolikoly ny mpiasa

Card image cap
06-mars-2026

Miverina amin’ny laoniny ny tolona,

Card image cap
06-mars-2026

Niverina ofisialy ny fitrandrahana,

Card image cap
06-mars-2026

natokana ho an’ny sosialy na RSE

Card image cap
06-mars-2026

8 taona sisa navelan’ny voay

Card image cap
06-mars-2026

Miantso vonjy amin’ny fitondràna ireo mponina sy mpiaro zon’olombelona

Card image cap