airtel

Actualités

17-sept-2021

Actualités

Abel Anicet Hilalao ao amin’ny Levski Sofia

Sample post image

Araka vaovao mbola tsy ofisialy omaly, dia hijanona ao amin’ny fifaninanam-pirenena Divizionina voalohany (D1) any Bulgarie ny kapitenin’ny Barean’i Madagasikara Abel Anicet Andrianantenaina.

17-sept-2021

 Ao amin’ny Levski Sofia no voalaza fa hanaovany sonia sy hilalaovany indray, taorian’ny fialany tao amin’ny Ludogorets Razgrad rehefa tsy nanohy ny fifanarahana intsony ity klioba nilalaovany 7 taona ity. Mitana ny laharana faha-9 ao amin’ny « First League » any Bulgarie moa ny Levski Sofia amin’izao fotoana izao. Tsy vaovao amin’ny fifaninanam-pirenena Bulgare I Anicet satria klioba faha-5 hilalaovany any io, raha tena ho raikitra tokoa. Efa nilalao tao amin’ny Tchernomorets Bourgas izy ny 2011, PFK CSKA Sofia ny 2012, PFK Botev Plovdiv ny 2013, ary Ludogorets ny taona 2014-2021. Tsikaritra ho nihena ny fahaiza-manaon’I Anicet tao amin’ny ekipam-pirenena ary nahazoany tsikera mivaivay, ka inoana fa hampiverina azy amin’ny laoniny ny fahitany klioba vaovao hilalaovana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap