airtel

Actualités

12-janv-2021

Actualités

ACM – ASECNA –ARTEC Samy manadio tena avokoa

Sample post image

Ao anatin'ny ady amin'ny fanakorontanana nymari-drefy ampiasaina amin'ny

12-janv-2021

 

 

 

sehatry ny fitaterana anabakabaka, dia nisy ny sonia fifanarahana fiaraha-miasa teo amin'ny Aviation Civile de Madagascar (ACM), ny Agence pour la Sécurité de la Navigation Aérienne en Afrique et à Madagascar (ASECNA) ary ny sampan-draharaham-panjakana mifehy ny fifandraisana amin'ny teknolojia (ARTEC) ny 30 desambra lasa teo. Izany dia natao ho fanamafisana ny fiaraha-miasa teo amin` ny telo tonta sy ho famaritana ny andraikiny avy amin'ny famahana ireo olana amin` ny korontana sy ny fiarovana ireo mari-drefy matetika ampiasaina amin'ny sehatry ny anabakabaka. Ny marimarina kokoa, io fiaraha-miasa io dia natao hiarovana ireo mpitantana seranam-piaramanidina, ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka sy maro hafa koa… « Faly manokana aho fa afaka nanamafy izao fiaraha-miasa amin'ny ACM sy ASECNA izao, io no ivon'ny dinidinika hatrizay nefa androany vao tratra. Resy lahatra aho fa ny fanaovan-tsonia an'ity fifanarahana ity dia hampihena be ireo olana mifandraika amin'ny fikorontanan'ny fahita matetika amin'ny fitaterana anabakabaka", hoy i Laurent Rakotomalala, Tale Jeneralin'ny ARTEC. Raha zohina ity fampitam-baovao avy amin` ny ARTEC omaly ity dia misy hifandraisany amin` ilay raharaha volamena 73,5kg. Sanatria io no fanazavana mahakasika ireo « caméra de surveillance» sy ny tsy niandry ny baikon` ny « tour de controle”teny Ivato araka ny vaovao niparitaka ny alahady lasa teo ? Marihana hatrany fa tamin` ny 30 desambra 2020 no natao io fifanarahana io kanefa omaly 10 janoary 2021 vao naparitaka amin`ny pejy ofisialin` ny ARTEC.

Marigny A.

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap