airtel

Actualités

20-oct-2022

Actualités

ADES Madagasikara “Hamerina an’i Madagasikara ho nosy maitso no tanjona”

Sample post image

20 taona izao ny ADES Madagasikara no nisehatra eo amin’ny fikajiana tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanampiana ny olona tsy hanapatapaka hazo na handany saribao sy kitay be loatra,

20-oct-2022

hoy ny talen’ny seraseran’izy ireo, Aina Ralay. Izay, hoy izy, no mahatonga anay manana karazam-patana mitsitsy, ny iray mandeha amin’ny saribao ary ny iray amin’ny kitay mba tsy hanapatapahantsika ala. Mihena amin’ny alalan’ireo ny fandripahana ala fa mihena ihany koa ny fandaniam-bola mivoaka amin’ny tokantrano tsirairay avy. Misy koa ny lafaoro sy “parabole” mandeha amin’ny herin’ny masoandro, izay tsy mampiasa saribao sy kitay fa angovo avy amin’ny masoandro. Fikasanay ny hamerina an’I Madagasikara ho nosy maitso. Iarahantsika mahalala ny fiakaran’ny akora fanamboarana fatana ka eo no azo atao hoe mahatonga anay misy fotoana mampiakatra ny vidin’ny fatana nefa tsara ny manazava fa iaraha-miasa amina rafitra tsy miankina any Soisa izy ity. Ireo izany no mamatsy hahafahantsika mividy ilay vokatra amin’ny vidiny mirary. Olana sedrain’ny maro izay fiakaran’ny vidin’ny akora izay. Ny ankoatra izay moa hita eto an-toerana ihany. Manana tanimanga be dia be I Madagasikara ary efa tekinolojia vaovao no hanamboarana ireo fatana. Tantara efa ela io fiaraha-miasa amin’ny Soisa io satria 20 taona lasa izay dia nisy ramatoa antsoina hoe Regoula izay nahita fa maitso ny nosintsika rehefa tonga teto Madagasikara. Nony niverina fanindroany anefa izy dia nahita fa nihena izay zava-maitso eto amintsika izay. Nisafidy ny hanampy anay izy sy ny namany, noho izany. Ny 80%n’ny malagasy dia mampiasa angovo odorana toy ny saribao sy kitay. Manasa ireo te hiara-hiasa aminay izahay, noho izany, hoe afaka mifampizara traikefa koa isika fa ny tanjona dia hoe ahoana no hamerenana an’i Madagasikara ho nosy maitso indray? 432.000 isa izao tao anatin’izay 20 taona izay ny hazo efa novolenay. Velaran-tany 500ha no efa tafaverina ny ala ao aminy. Tarehimarika tamin’ny 2021 io fa eo am-panangonana ny tarehimarika tamin’ity taona ity izahay izao. Hamerina an’i Madagasikara ho nosy maitso no tanjona, hoy hatrany ny ADES.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap