airtel

Actualités

29-avril-2022

Actualités

Adihevitra momba ny fanaovan-gazety Betsaka ny fanontaniana tokony hipetraka

Sample post image

Ao anatin’ny andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny fanaovan-gazety dia hisy ny tolakandron’ny 3 may hoavy izao, manomboka amin’ny 2 ora,

29-avril-2022

etsy amin’ny Carlton Anosy ny fiaraha-mitafatafa sy miady hevitra momba ny lohahevitra manao hoe “Ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety miatrika ny tontolo nomerika.” Fiaraha-miasan’ny avy eo anivon’ny holafitry ny mpanao gazety Malagasy na OJM sy ny Friedrich-Ebert-Stiftung moa izy ity, hoy ny fampahafantarana natao. Nomarihina ihany koa fa ady hevitra an-kalalahana no hatao saingy eo dia efa mipetraka sahady anefa ny fanontaniana hoe hatraiza no fetran’izay lazaina ho fahalalahana izay? Hisy ihany koa ny fampitana mivantana ny hetsika amin’ny alalan’ny tambazotran-tserasera Facebookn’ny OJM. Tsiahivina fa raha ny fandaharana farany nataon’ny teo anivon’ny Reporters sans frontieres ho an’ny taona 2021 dia eo amin’ny laharana faha 57 maneran-tany I Madagasikara ary faha 10 aty Afrika eo amin’izay fahalalahan’ny fanaovan-gazety izay, izany hoe, very laharana 3 mitaha amin’ny teo aloha. Heverina fa efa misy azo itarafana ireo fanontaniana goavana tokony hipetraka sahady eo anivon’izay hoe tontolon’ny fanaovan-gazety Malagasy miatrika ny tontolo nomerika izay. Efa zakantsika ve na dia izany adihevitra izany fotsiny aza sa mbola tokony hijery ny lafiny fiveloman’ireo mpanao gazety aloha hoe manao ahoana? Hatraiza ny fahafehezantsika izay tontolo nomerika izay? Manao ahoana ny lafiny famatsiana ireo mpanao gazety manatanteraka ny adidiny na eo amin’ny lafiny ara-bola izany na lafiny ara-pitaovana ?
J. Mirija
 

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap