airtel

Actualités

05-avril-2022

Actualités

Ady amin’ny fanararaotana ara-nofo Mampitombo traikefa ireo mpitandro ny filaminana

Sample post image

Tsy afaka miala amin'ny fandrosoan'ny teknolojia isika eto Madagasikara ary indrindra amin'ny fampiasana ny aterineto.

05-avril-2022

Misy ny lafiny tsara hampiasana izany saingy misy ihany koa ny lafy ratsiny ary manimba ny tanora ka anisan'izany ny fanararaotana ara-nofo mianjady amin'ny ankizy izay miseho amin'ny endrika samihafa. Manoloana izany dia misy ny seminera hatrehan'ny mpitandro ny filaminana karakarain'ny Francopol izay haharitra 4 andro, nanomboka omaly. Hisy ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny mpitandro ny filaminana malagasy sy ireo manam-pahaizana avy any ivelany amin'ny fomba tokony atao hiadiana amin'ny herisetra manoloana ny fivoaran'ny teknolojia. Tonga nanatrika ny fotoana moa ny Ambasadaoro Frantsay sy Soisa ary ny Ambasadaoro solotenan'ny OIF eto anivon'ny ranomasombe Indianina. Nanokatra ny fotoana kosa ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka niaraka tamin'ny Sekretera Jeneraly miadidy ny Zandarimariam-pirenena. Antenaina fa hampitombo ny fahaiza-manaon'ny mpitandro filaminana malagasy ny sehatra toy izao ary hisy vokany amin'ny fiarovana ny ankizy manoloana ny karazana herisetra.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fifampizarana traikefa notanterahina omaly
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap