airtel

Actualités

25-mars-2021

Actualités

Ady amin’ny hosoka sy ny piraty Kapila 44 382 nodorana omaly

Sample post image

Kapila mangirana hosoka miisa 44.382 no nodoran’ny teo anivon’ny Borigady misahana ny ady amin’ny hosoka na ny BAP

25-mars-2021

 

 

 

(Brigade Anti-Piratage), rantsan'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina omaly, izay notanterahina teny Ambohitrimanjaka. Tafiditra ao anatin’ny fampiharana ny lalàna laharana faha 94-036 ao amin'ny andininy faha 149, mifehy ny ady amin’ny hosoka sy ny piraty. Raha ampitahaina amin'ny tamin'ny fandorana farany natao ny faraparan'ny taona lasa dia nitombo 7.000 ny isan'ireo kapila mangirana hosoka tratra ka nodoroana omaly, raha ny fanazavana. Efa niroso tamin’ny fisamborana sy ny fitondrana ireo mpanao hosoka eo anatrehan'ny fitsarana ny BAP tamin'ny taon-dasa ary hiroso amin'ny fisamborana ireo izay tratra mividy hosoka ny eo anivon’ny BAP, hihamafy ny hetsika atao any amin'ny faritra, hoy hatrany ny fanazavana. Zava-dehibe loatra ny fiarovana ny kanto sy ny haingam-panahin'ireo mpamorona ny kanto ka mila arovana. Hiaro ny mpanakanto no isan'ny antom-pisian'ny Minisitera miandraikitra ny kolontsaina, raha ny voalazan’ny minisitera mpiahy. Nanatrika ity fandorana ampahibemaso ireto kapila mangirana hosoka ireto ny solontenan'ny artista sy ireo mpamokatra horonan-tsary Malagasy ankoatra ny teo anivon'ny fitsarana, ny OMDA ary ny ISSM.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap