airtel

Actualités

23-nov-2021

Actualités

Ady amin’ny tondra-drano Hojerena manokana ny eny Analakely sy Petite Vitesse

Sample post image

Atahorana hatrany ny tondra-drano eto an-drenivohitra rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao. Vokatry ny fahantsentseman’ny tata-drano

23-nov-2021

 ateraky ny fivangongoan’ny fako arian’ny olona no mahatonga izany ka mampivoaka ireo rano maloto eny amin’ny arabe rehetra eny. Anisan’ny tena ahitana izany ny eny amin’ny faritra Analakely sy Petite Vitesse iny. Tsy manainga zipo intsony fa manala akanjo mihitsy ny mponina raha vantany vao tratra hariva eny amin’ireo faritra ireo rehefa avy ny orana. Mila handifotra fiara mihitsy mantsy ny rano eny amin’ny arabe ka tsy vitsy ireo efa namoy ny ainy. Miezaka mitady vahaolana mifandraika amin’izany ny mpitondra fanjakana ankehitriny raha araka ny fantatra. Vola mitetina 45 tapitrisa Euros no voalaza fa hatokana hanamboarana ny faritra Analakely sy Petite Vitesse ho enti-miady amin’izay tondra-drano izay. Hanomboka amin’io taona ho avy io ihany koa ny asa raha araka ny fantatra.
Pati
(Tahirin-tsary)
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap