airtel

Actualités

06-déc-2021

Actualités

Ady tany ao Amboditandroroho Toamasina II Mihenjana ny tady eo amin’ny mponina sy ny Filatex Tonga vao maraina ny sabotsy 4 desambra 2021 teo ny vad

Sample post image

intany nahazo didy avy amin'ny fitsarana hanala ny fefy nanakanan'ny orinasa Filatex hidiran'ny mponina sy ireo miasa ao anatin'ny tany lazainy fa ananany taratasy maha tompony azy,

06-déc-2021

 hanaovana famokarana herinaratra mandeha amin'ny masoandro, veliranon'ny filoham-pirenena ao amin’ny kaominina Amboditandroroho Toamasina II, hoy ny fampitam-baovao voaray. Ny mponina mivondrona amin'ny fikambanana FIPAMA na Fikambanan'ny Mpamboly Manambatsio no nanajary azy rehefa lasa ireo mpanjanaka na “colon” naka ny tanin'ny razan’izy ireo ny taona 1923, hoy ny fanazavana. Nitondra Polisy, araka ny baiko nomen'ny fitsarana, ny vadintany nefa rehefa tonga teo an-toerana dia vao niala ny vavahady dia nametraka hazo mitsavalana indray ireo mpiasan'ity orinasa ity niaraka tamin'ny EMMO izay manampy azy ary dia nasian'izy ireo fiara hibahana ny lalana masaka efa nampiasaina hatramin'izay. Nanao tatitra ny vadintany amin'izao tsy faneken'ity orinasa ity ny didim-pitsarana izao. Nidina ny baiko avy any ambony fa tsy maintsy miala ao ny polisy nentin'ny vadintany ary tonga nanamafy ireo namany efa lasa mpiandry ny tanin'ity orinasa ity ny EMMO. Tsy nanaiky lembenana anefa ireto vahoaka fa niha maro hatrany ka dia nihemotra ny EMMO niala ny toerana aloha. Tsy nisy ny fifandonana fa mbola mienjana ny tady satria tsy atokisan'ireto mponina fa nihemotra ity orinasa ity ka samy mbola mifampiandry ny roa tonta. Tsy asian’ity orinasa ity hasiny ny fitsarana malagasy, hoy hatrany ny fampitam-baovao.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap