airtel

Actualités

27-août-2021

Actualités

Ady tany ao Tanambaoo V-Toamasina Tsy fantatar intsony izay tena tompony

Sample post image

Ny taona 2011 no nanomboka ny tantara, raha ny fanazavan’ny mpanazary farany ny tany mitondra ny anarana hoe Tanambao V,

27-août-2021

mitondra ny titra laharana 641-BA ao amin’ny firaisana Tanambao V, Toamasina. Araka ny fanazavana, dia nisy ny fanapahana navoakan’ny kaominin’I Toamasina ny 2 may 2011 tamin’ny alalan’ny filohan’ny delegasionina manokana tamin’izany fotoana izany, nanome ity ampahan-tany ity ho azy. Nipetraka teo aho, hoy izy, rehefa vitako ny fanatsarana ilay trano satria dia fanarian’olona maloto sy fako teo. Tsy nisy olana mihitsy nandritry ny 10 taona nipetrahako teo, izany hoe ny taona 2011 noho nakaty. Gaga be aho ankehitriny fa misy olon-kafa milaza ho tompon’ny tany ka izao miafara amin’ny fanalana ahy izao, hoy hatrany ny fanazavana. Etsy an-kilany dia manana taratasy fanapahana manome ampahan-tany mirefy 230m2 amin’ity tany voalaza teo ity ihany koa ilay milaza ho tompon’ny tany amin’izao fotoana izao ary anton’ny fitakian’ilay efa voalaza ho nanazary ny tany nandritry ny 10 taona. Tsy hita intsony, araka izany, izay tena tompon’ity toerana ity saingy mandra-piandry ny fanapahana manaraka havoakan’ny kaominina sy ny didy avoakan’ny fitsarana anefa dia hita ho mitohy ny fifandirana eo amin’ireo roa tonta milaza ho samy tompon’ny tany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap
27-mars-2024

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza, ary nomena ny anarana hoe “GAMANE

Card image cap
27-mars-2024

Lehilahy iray 26 taona indray no tratra nanolana zazavavy kely vao 14 taona monja tany Miarinarivo,

Card image cap
26-mars-2024

Nahatratra 35 isa ny fitarainana azon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona

Card image cap
26-mars-2024

Misy andro ratsy miforona any Atsinanan’ny Faritra SAVA any amin’ny ranomasimbe Indiana.

Card image cap