airtel

Actualités

10-juin-2021

Actualités

Ady tany etsy Antanandrano Mitohy mampiditra ny fitaovany ilay orinasa

Sample post image

Ny taona 2005 no tena nanomboka ny ady mikasika ity tanindrazanay eto Antanandrano,

10-juin-2021

 kaominina Ankadikely Ilafy ity, hoy i Thérèse Raketamalala, izay nanamafy fa zafikelin’ny tompon’ity tany ity. Tsy fantatro no nipoiran’io orinasa io, hoy izy. Izay no angatahanay fanazavana amin’ny mpitondra fanjakana mikasika izao fahafahany maka ny taninay izao. Tompon’andraikitra voalohany ao anatin’izao raharaha izao ny kaominin’Ankadikely satria raha tsy nanome io fahazoan-dalana sadasada io izy tsy nisy izao. Ny 27 aprily izahay no nitondra ny “juridique” misy “pré notation”. 28 aprily izy nanao sonia. Araka ny voalazan’ny lehiben’ny fokontany eto aminay moa dia nandoavana ny karaman’ny mpiasa ilay vola. Avy amin’ny alalan’ny kolikoly ve no nandoavana karama? Sanatria izaho izay isan’ny nampandany io ben’ny tanana io no haniratsira azy. Gaga aho ankehitriny fa izy indray no manao ny tsy tokony atao. Manaratsy endrika ny fitondrana izao ataon’ny ben’ny tanana izao satria olona anaty antokony io. Efa resinay teo amin’ny fitsarana hatramin’ny 2005 io orinasa io fa ny mahagaga amin’ny niafaran’ity dosie ity dia miaka-midiny avy any amin’ny fara-tampony mankany amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany indray ilay raharaha amin’izao fotoana izao. Eto Madagasikara ihany angamba no misy an’izany. Izay io tsy ekenay io, mbola manao antso avo ny fitondram-panjakana izahay ary misaotra ny sekretera jeneraly miadidy ny zandarimaria nihaino na dia mbola tsy miala eo amin’ny taninay ihany aza ireo mpitandro filaminana. Ho mafimafy kokoa noho izao ny hetsikay raha manohy mamefy ny taninay ireo. Efa miha romotra ny olona. an-jatony moa ireo mpandova, hoy hatrany ny tenany, eto amin’ity velaran-tany 30ha ity. Ny alakamisy teo no nankaty kosa dia tsikaritra ho miha mampiditra ny fitaovany ao anatin’ity velaran-tany ity hatrany ilay orinasa voalaza fa ana teratany Karana manana ady amin’ity fianakaviana ity ary tsy miala eny an-toerana mifehy ireo mponina ny mpitandro filaminana.

 

J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap