airtel

Actualités

01-févr-2021

Actualités

AFAFI sy ny kaominina Andranonahoatra Hanampy hatrany ireo olona tsy afaka mitsabo tena

Sample post image

Olana goavana sedrain’ny ankamaroan’ny tokantrano hatramin’izao ny resaka fitsaboan-tena.

01-févr-2021

 

 

 

Vitsiana ihany mantsy no mba nanana antoka hahazoany mitsabo tena eny anivon’ireny orinasa hiasany ireny fa ny ankoatra izay dia miaina amin’ny fanaovana dokoterany na ny fanatonana ny CSB II avokoa. Ho an’ny AFAFI ( Antoka ho an’ny fahasalaman’ny fianakaviana) manokana izay tsy manana tanjona ara-bola fa mikendry kosa ny hanasoa ny mpiara-belona dia nanohy ny fiaraha-miasany tamin’ny kaominina Andranonahoatra, distrikan’Antananarivo Atsimondrano izy ireo amin’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny mponina. Raha ny Fokontany Ambaniala no nisantarany izany, fiaraha-miasa efa nanomboka tamin’ny taona 2017 dia efa miitatra amina Fokontany 2 izany ankehitriny dia ny Fokontany Ambanilalana sy Ambohimamory. Miditra ho mpikambana ao anatin’ny AFAFI ny olona iray ka 1500 Ar monja no vola alohany amin’izany raha tokony ho 3.000 Ar. Eny amin’ny biraon’ny Fokontany no mandeha ireo dokotera miara-miasa amin’ny AFAFI mijery sy manara-maso ireo olona mpikambana tojo tsy fahasalamana. Ireo dokotera ireo indray aorian’izany no mandefa irery marary eny anivon’ny hopitaly raha toa ka ilaina izany izay tsy miova ny sarany fa 1500 Ar ihany. Izany no natao dia entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ny tsirairay. Ezahina hotohizana manerana ny Fokontany miisa 7 moa izany ho an’ny kaominina Andranonahoatra raha manerana ny faritra 22 kosa ho an’ny AFAFI.

Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap