airtel

Actualités

14-janv-2021

Actualités

Afera maromaro nanaovana fanadihadiana Hatolotry ny loholona ny Fitsarana ny tatitra

Sample post image

Natsangana tamin’ny fomba ara-dalàna ny kaomisionina mpanao fandihadiana

14-janv-2021

 

 

 

 

teo anivon’ny Antenimierandoholona mahakasika lafin-javatra maromaro, hanao ny tatitra, halefa any amin’ny Minisitry ny Fitsarana miaraka amin’ny taratasy mavesabesatra, izay androany hariva ihany no hanaovana izany, hoy ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotoavao omaly. Azo norarana raha efa nisy dingana ara-pitsarana nandeha, ka ara-dalàna matoa tsy nisy ny sakana, hoy izy. Mahita fa betsaka ny tsy fihetezana, ka rariny raha nanaovana fanadihadiana, saingy noho ny fotoana dia vitsivitsy no notsongaina. Toe-javatra 4 no nosafidiana nanaovana fanadihadiana dia ny: ny vaky fonja nisiana fahafatesana gadra maro be tany Farafangana, ny Fitantanana ny volan’ny covid-19, ny anarana miverin-droa tamin’ny lisi-pifidianana 2018, ny fividianana fitaovam-piadiana tao anatin’ny vanim-potoanan’ny fifidianana. Ity farany izay efa nambaran’ny teo anivon’ny Zandarimariam-pirenena tamin’ny alalan’ny Talen’ny fampitaovana Jeneraly Kasimo ny volana desambra teo, fa tafiditra tao anatin’ny tetibolam-panjakana 2018, novidiana 15 miliara ariary tany Chine. Aorian’ny fanolorana ny tatitra any amin’ny governemanta vao afaka hilaza sy hamoaka ny valin’ny fanadihadiany rehetra nataony amin’ny valalabemandry ny loholona. Nanamafy i Rivo Rakotovao fa tsy tokony havela ho vary mangatsiaka eto amin’ny firenena ny raharaha, fa mila tohizana. Asa na hisy tohiny fa ho any amin’ny Fitsarana ny baolina ary efa handao ny toerany rahateo ireo loholona ankehitriny.

Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap