nanomboka omaly alarobia 4 febroary 2026 ny Minisitry ny Fitsarana Malagasy Fanirisoa Ernaivo, raha raisina amin’ny fampalalam-baovao Maorisianina. Fitsidihana mikendry ny hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’i Madagasikara sy Maorisy, indrindra amin’ny ady amin’ny fialàna hetra sy ny kolikoly ara-toekarena. Ny tanjona dia ny fiarovana ny tombontsoa iombonan’ny vahoaka sy ny fahaleovantenan’ny toekarena Malagasy. Mandritra ny fitsidihany dia hihaona amin’ny Attorney General Gavin Glover sy ny Financial Crimes Commission (FCC) ary fikambanana hafa ny minisitra. Anisan’ny lohahevitra lehibe hodinihina ny Afera Mamy Ravatomanga. Efa tonga tany Maorisy ny 31 janoary 2026 ny delegasiona Malagasy, ahitana an’i Tsaraleha Jean Arsène, Onitia Ramanana ary Harry Laurent Rahajason (Rolly Mercia, araka ny tatitry ny Gazety Maorisianina.
HENJANA NY VESATRA
Araka ny antontan-taratasy navoakan’ny FCC dia voarohirohy amin’ny afera ara-bola tao amin’ny kaonty banky maro i Mamy Ravatomanga, izay heverina fa avy amin’ny asa tsy ara-dalàna. Ny vola voalohany dia mitentina Rs 6 456 055 996,29 (6 456 055 996,29 Ar eo ho eo raha ny sandam-bola amin’izao), ary ny faharoa dia Rs 858 489 298,21 (858 489 298,21 Ar eo ho eo). Ireo vola ireo voageja amin’ny kaonty banky maro. Ampahany ihany io, fa mahatratra hatrany amin’ny 20 miliara dolara mahery ny sora-bola tafiditra amin’ny resaka afera sy kolikoly ary famotsiam-bola mahasaringotra ity mpandraharaha Malagasy ity, raha ny voalaza hatramin’izay. Ankoatra izany dia voampanga ihany koa izy noho ny fifanarahana tsy ara-dalàna tamin’i David Jean Christian Thomas, Nasser Osman Beekhy ary Me Junaid Haroon Fakim, tamin’ny 14 oktobra 2025, mikasika ny raharaha « trafic d’influence » na tsikombakomba. Mbola tazonina ao amin’ny fonja Melrose. Nolavin’ny BRC ny fangatahana fahafahana mivoaka arahina anto-bola ny 30 desambra 2025, ary mbola eo am-panaovana fampakarana, ka handalo fitsarana indray 16 febroary 2026. Araka ny fanambarana navoakan’ny ministeran’ny Fitsarana Malagasy dia efa nisy heloka maro nataon’i Ravatomanga tao Madagasikara nanomboka 2009 ka hatramin’ny 2025, toy ny raharaha Boeing 777 dimy hoentina any Iran, ny trafika volamena sy boaderozy, ny hosoka amin’ny fanondranana litchis, ny afera ara-barotra, « trafic d’influence »,…. Antony namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena, nahngatahana tamin’ny Interpol ny hisambotra azy sy hitondra azy hiverina eto Madagasikara. Ny Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites (ARAI) dia efa nanao fitantanana tanteraka ny kaonty banky rehetra an’i Ravatomanga, ny trano sy fananana rehetra ary ny fananana ara-barotra mifandraika amin’ny varotra blé, farine ary litchis. Vola mitentina 88 miliara Ar avy amin’ny kaonty amin’ny banky miisa 99 an’i Mamy Ravatomanga, ny vady aman-janany ary ireo olona akaiky azy nogiazan’ny ARAI. 20 miliara Ar no efa navadika ho amin’ny anaran’ny ARAI amin’ny alalan’ny « compte de consignation », raha ny tatitra ny 9 desambra 2025.
HANAO AHOANA NY VOKATRA ?
Miezaka maneho manana toky amin’ny hahafahan’i Mamy Ravatomanga ny mpiaro azy, izay milaza fa matoky fa misy Fanjakana tan-dalàna ao Maurice ?Isan’ny mety hahafahana mandrefy ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo ity raharaha Ravatomanga izay mbola tsy minisitra izy no efa nampanaovin’ny Fanjakana Malagasy iraka hoe : ho vitany ve ny handresy lahatra ny Fitsarana Maorisianina hanafaingana ny fitsarana any ka hampody an’i Mamy Ravatomanga hanefa ny saziny eto Madagasikara sy mbola hotsarain’ny Fitsarana Malagasy? Manao ahoana ilay fanamby hampody vola 5 miliara dolara nivoaka tamin’ny kolikoly avy eto Madagasikara ? Manao ahoana amin’ny ankampobeny ny fanenjehena ireo voalaza fa nanao ny tsy nety teto ? Hijanona eo amin’i Rinah Rakotomanga, Marie Michelle Sahondrarimalala, Jeneraly Ravalomanana Richard ve ? Manao ahoana ireo dosie Andry Rajoelina raha tsy hilaza afatsy ny any amin’ny HCJ ?
Toky R