airtel

Actualités

03-mai-2021

Actualités

Afomanga vao maraina teny Mahamasina Nahazo fampitandremana mafy ireo Sinoa

Sample post image

Nanaitra ny fisiana afomanga tao Mahamasina omaly nataon’ireo sinoa mpanamboatra ny kianja na tsy dia nahoraka aza.

03-mai-2021

 

 

Tsy nifampierana tamin'ny fanjakana Malagasy fa finiavana manokan'ilay orinasa manao ny asa CSCOD, nisy ny fangataham-panazavana natao ary namaly izy ireo fa fomban-dry zareo ny manao anio rehefa tafiakatra amin'ny teboka avo indrindra ny asa, hoy ny fazanavana. Nampiakatra ilay "pylone" an’ny "projecteur" 53m milanja 38 taonina ry zareo dia io no “point” avo indrindra ka nanao io fomba io. Karazana ala faditra no nataon’ny sinoa sy nangatahany sy tsondrano tsy ho azon-tsampona tamin’ny afomanga kely androany. 4 ireo « grands projecteurs » manaraka ny fenitry ny Fifa. Misy « lampes » 100 isa avy miampy “lampes d'urgence” 3, Manana tanjaka 2350 lux (1200 lux raha kely indrindra ny fenitry ny FIFA. Mitovy amintsika Malagasy manangana saina amin'ny vovona. Na izany aza, nahazo fampitandremana mafy izy ireo ary nangatahana avy hatrany ny hanoloana ny "Directeur de Projet" mba ho sazy, hoy ny fampahalalam-baovao akaiky ny Fitondrana. Nisy ihany koa fitoriana fiandry napetraka koa ao amin'ny Commissariat Mahamasina ka ampanatsoina ao ny orinasa CSCOD anio, raha ny voalazan’io vaovao io. Nampanaoavana fialan-tsiny koa izy ireo. “Poapoaka ato Mahamasina, firarian-tsoa sy fandroahana masantôko sinoa. Manangana andrin-jiro aman-taoniny ny orinasa sinoa. Fomban-drazana sady ilaina ho taitaitra hifantoka ny mpiasa rehetra fa 60 taonina no ho bataina. Izay ny tato sao misy manely tsaho eo, ny antsika mandraraka toaka ny an’ny sinoa manapoaka “petard” na afomanga. Mazava?”, hoy kosa ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy, izay nanatrika ny zava-misy. Izy izany no tokony nampahafantatra fa misy fahazoan-dàlana tokony nalaina, saingy tsy nisy matoa tonga amina fanadihadiana. Etsy andaniny, eny akaiky hopitaly sy toeram-pitsaboana aza voarara ny anjomaran’ny fiara mainka fa afomanga mipoapoaka. Tsy lavitry ny hopitaly anefa eny an-toerana.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap