airtel

Actualités

20-oct-2021

Actualités

« Agents » an’ny ladoany leo kolikoly Nanao taratasy fitarainana sy ampamoaka goavana

Sample post image

Nandefa taratasy misokatra ho an’ny Sendikan’ny Fadintseranana Malagasy sy ny mpiara-miasa aminy ireo Fikambanan’ny “Agents”

20-oct-2021

 eo anivon’ny ladoany ny 15 oktobra teo, izay naneho fa leo kolikoly. Naneho izy ireo, fa misy ny namany tra-pahavoazana, toy ilay tany Toliara izay nigadra noho ilay resaka volamena 73kg; ny any Toamasina izay voaheloka ankehitriny noho ny raharaha 5 TC izay nitranga efa an-taonany maro lasa ; ao amin'ny « service statistique » izay tapaka karama sy tombotsoa efa ho taona iray noho ny resaka famoahana entana tany Nosy Be sy Toliara. Nilaza izy ireo fa ny madinika ihany no mitondra faisana. « … tsy afaka ny hibaiko ny tenanay na hanao izay tianay atao fa tsy maintsy manaraka ny baiko izay omen' ny lehibe, nefa rehefa misy ny tsy mety dia ireo lehibe ireo indray no manome lamosina anay « agents » nanatanteraka ny baiko nomena anay, ary iarahantsika mahita fa misy lehibe iray izay nomelohin'ny fitsarana aza saingy tsy mbola nosoloina ny toerany mandrak'izao satria namana anaty « staff » angamba na hoe lehibe dia tsy afaka soloina », hoy izy ireo. Manahy ny ho avinay izahay satria Atoa Tale Jeneraly dia tsy mijoro hiaro anay « agents » mihitsy nefa iaraha-mahalala fa izy dia namana akaily sy niara-niasa tamin'ilay karana tompon'ny société MAILAKA izay tsy iza fa tompon’ireo entana izay nampisy olana ny mpiara-miasa ao amin'ny « statistique » tamin'ny raharaha Nosy Be sy Toliara, ary tsy vitan'izany fa fony izy mbola resevera taty Vohemar dia io karana tompon'ny société Mailaka (Mr Ra-) tamin'ny alalan'ny société SOKIMA sy ireo orinasany mitondra anarana hafa no namatsy menaka ny faritra SAVA sy DIANA tamin'ny alalan'ny daka baolina « BEP » tsy misy « régularisation » teto amin'ny ladoany Vohemar, hoy ny fitarainana, izay nanondro ny Tale Jeneraly ho mpamoritra ny « Agents » sady manao kolikoly. Nilaza ho tsy miteny tsy misy porofo izy ireo, ka namoaka lisitra raharaha teo anivon’ny ladoany mitentina 3 miliara na 4 miliara mahery tsy niditra tamin’ny ladoany nandritry ny fotoana naha resevera an’ny ladoany tao Vohemar an'Andriamatoa Tale Jeneraly ankehitriny. Santionany amin’ny kaontenera maro be nivoaka antsokosoko, ary efa voafafa tsy ao anatin’ny “manifeste”-n’ny ladoany, saingy azo jerena amin’ny “bon à delivrer” sy ny “frais de manutention”, hoy io taratasy io.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap