airtel

Actualités

13-juin-2022

Actualités

Ahiahina hala-jaza, fitsaram-bahoaka Sakoroka sy poa-basy be tany Manja-Menabe omaly

Sample post image

Nisehoana gidragidra tsy nifankahitana omaly alahady 12 jona 2022 nanomboka ny atoandro nitohy ny takariva efa maty masoandro tany Manja, ao anatin’ny Faritra Menabe.

13-juin-2022

Antony ny fahatrarana fiara tsy mataho-dàlana iray nahitana olona miisa 5 (4 lahy, 1 vavy) tao anatiny, izay nalaza sy voaroahirohy ho mpangala-jaza. Nentin’ny mpitandro filaminana tao amin’ny paositry ny polisin’i Manja ireo olona voarohirohy ireo. Tonga teny amin’ny tokontanin’ny paositry ny polisy anefa ny fokonolona nikasa sy nitaky ny hamonoana ireo olona voasambotra ireo. Hatramin’ny hariva tsy nanaiky hiala teny, ka raikitra ny poa-basy nirefodrefotra nentina nanaparitaka ireo vahoaka. Tetsy ankilany, nopotehin’ny vahoaka ilay fiara tsy mataho-dàlana, voaroba ihany koa ny Biraon’ny Minisiteran’ny mponina izay fotodrafitrasa manara-penitra vao vita ao Manja. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha sy ny akony, fa omaly efa madiva ho alina, dia mbola nisy ny poa-basy nirefodrefotra. Malaza ny hala-jaza sy halatra taova any an-toerana, ka hendratrendratra ny olona, ary toa tsy te hahalala fa fandikan-dalàna ny fitsaram-bahoaka. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 23 may lasa teo dia nisy tovolahikely 8 taona hita tany amin’ny RN9 tokony ho 3km miala an’i Manja izay noloarana ary efa nikirazorazo ny masony. Monina ao Sahalava izy, saingy efa volana maromaro izay no nahavery azy tany Fianarantsoa. Voalaza fa tafaporitsaka tany am-pelatanan’ny mpangala-jaza, ary teo am-panalana ny voamasony ireo olon-dratsy no votsotra ity tovolahikely ity.
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2024

Miitatra ny savorovoro eo anivon’ny Kaominina Antananarivo eo anatrehan’ny raharaha fampidiram-bola sy fitantanam-bola.

Card image cap
16-avril-2024

Betsaka ny olana navelan’ny mpitantana ny kaominina Antananarivo renivohitra teo aloha,

Card image cap
16-avril-2024

Ny vinavinan’ny fitomboan’ny mponina eto Madagasikara niainga tamin’ny RGPH-3 (Récencemant Général de la Population et de l’Habitation)

Card image cap
16-avril-2024

Mba hanatsarana ny fitantanana ny harena voajanahary, napetraka ny rafitra fifanakalozam-baovao

Card image cap
16-avril-2024

Tsy nitsahatra nanentana eo amin’ireo mpandraharaha hisitraka ny

Card image cap
16-avril-2024

Mafy ny manjo ireo fianakaviana manodidina ny 20 isa monina amina trano miisa 5 mipetraka

Card image cap