airtel

Actualités

02-mars-2022

Actualités

Ahiahina kolikoly avo lenta Omby 439 natao "fourrière" no tsy hita popoka

Sample post image

Miteraka savorovoro eo amin’ireo mpiompy ao Bongolava ankehitriny ireo omby 439 isa izay notazomina "fourrière " tao Andranomadio ka nanjavona Tsy hita satria voalaza fa navoaka tamin’ny alalan’ny "procuration ".

02-mars-2022

 « Olona avy eto aminay ihany no mody nanaovana fahazoan- dalana haka ny omby dia ny zandary no manao ny PV ary mody alefa mankany amin’ny Fitsarana , ny any indray no mamoaka Ordonnance "main levée "dia azon’olona ilay omby ary namidy teto Tsiroanomandidy ihany . Ny mampalahelo dia misy tena zanak’ilay tompony tonga eto manana procuration avy amin’ny dadany fa Tsy nomen’ny zandary mihintsy » hoy ny Raiamandreny lonaka ao Bongolava mitantara ity raharaha ity . Raha nantsoina an-telefaonina ny ben’ny Tanàna ao amin’ny Kominina Fihaonana, hoy ny vaovao dia toy izao ny fanazavany : « Tsy nety nanao sonia ny taratasy nentin’ny zandary aho satria tsy tompon’omby akory ilay tonga haka ny omby ,ary Efa nifanarahana tao amin’ny fivorian’ny OMC fa Tsy manan-kery ny procuration… .» .Heverina fa misy olona maromaro miray tendro amin’ny famoahana ireo omby natao Fourrière ireo : Nanomboka teo amin’ny fanomezana "procuration ";nitohy tany amin’ny fanoavana PV izay ny zandary no nanao azy ary farany ny ao amin’ny Fitsarana Tsiroanomandidy izay namoaka ny "ordonnance main levée " ka miafara amin’ny famoahana ny omby eny andranomadio dia amidy eo an tampon-Tanàna ihany. Ny mahagaga amin’ity raharaha ity ary mahatonga ny ahiahy hoe misy tambazotra mpanao kolikoly dia omby efa maloto, sy tsy mazava ara-taratasy matoa nampidirina fourrière, ka nahoana moa no navoaka indray ?
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap