airtel

Actualités

20-sept-2021

Actualités

Ahiahina trafika teny Ivato Misy resaka manjavozavo ihany

Sample post image

Ritsoka avy any amina loharanom-baovao iray no ren’ny tompon’andraikitra teny amin’ny seranam-iaramanidina iraisam-pirenena Ivato ka nahatonga azy ireo naka fepetra hentitra hisava ireo mpandeha rehetra

20-sept-2021

 nandray ny sidin’ny Ethiopian Airlines nihazo an’I Addis Abeba ny 15 septambra lasa teo.Anisan’ireo voasava ny governoran’Analamanga, ny depiote mirahalahy Andry Ratsivahiny sy Tsiliva.Ny fisavana ity farany ilay niteraka resabe ary nivoahan’ny feo fa hoe misy ahiahina trafikana volamena.Nisy ihany koa ireo teratany Karana miisa 8 izay nambara fa efa voasambotra tany Nosy be noho ny fikasana hanondrana volamena kanefa dia hita teny Ivato indray.Nanazava sy nanadio tena moa ny depiote Tsiliva avy eo tao amin’ny fahitalavitra Real TV saingy maro no tsy resy lahatra tamin’ny zavatra nambarany tao.Ny tena ipetrahan’ny adihevitra dia ny hoe samy nosavaina ny olona rehetra, ka izay tsy nahitana na inona na inona sy zavatra mampiahiahy dia niditra tao anaty fiaramanidina ary lasa; fa nahoana no niverina nody ny depiote Tsiliva ? Efa mazava anefa araka ny nambarany fa nosavaina ny entany rehetra ka tsy nahitana zavatra mampiahiahy na dia iray aza.Ka inona no antony tsy nahafahany niondrana sy nandray ilay sidin’ny Ethiopian Airlines nankany Addis Abeba; avy eo indray izy no mandray fiaramanidina mihazo an’i Abu Dhabi , izay nolazaina fa toerana hamonjeny fivoriana momba ny resaka koltoraly ny 19 septambra izany hoe tokony omaly alahady.Na ireo sary sy horonantsary fisavana ny entana aza lasa niteraka resabe satria raha ny tokony ho izy , dia voarara ny maka sary amina toerana saropady toa ireny indrindra fa hoe misy hetsika ataon’ny tompon’andraikitra sy ny mpitandro filaminana amina fisavana izany. Ary ny fakana ilay sary dia hita hoe nalaina an-kariihary fa tsy resaka “caméra caché”. Ny fanadihadiana ihany moa, raha misy no hahafantarana ny tena marina fa hatreto aloha dia manjavozavo be ihany iny raharaha iray iny.
RTT
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap