airtel

Actualités

28-avril-2021

Actualités

Ahiana ho matin’ny Covid-19 Nampifanditra ny zandary sy ny fianankaviana ilay razana

Sample post image

Olona iray no maty teny Malaza Andoharanofotsy omaly. Voalaza fa namoy ny ainy efa tany amin’ny 4ora maraina tany ho any izy io,

28-avril-2021

 

 

 

ary ahiana ho coronavirus, saingy notazonin’ny havany tao an-trano. Tsy nanaiky izany rahateo izy ireo, ary te hitazona ny razana, raha toa ka tsy maintsy halevina ny androtry ny nahafatesana ihany ny fepetra ho an’ny lavon’ny coronavirus. Niteraka fitangoronana be ihany koa anefa ity toe-javatra ity. Niditra an-tsehatra ny zandary ny hariva efa tany amin’ny 6ora. Raikitra ny fifamaliana be teo anatrehan’ny tsy faneken’ny fianakaviana fa matin’ny valanaretina ny havany, ary tsy maintsy halevina ny androtr’iny ihany. Tsy nanaiky hatramin’ny farany ireo zandary, ka nalevina omaly efa nandroso ho alina ihany ny razana. Tsy dia lavitra, fa vita an-tongotra niala teo amin’ny trano rahateo ny fasana raha ny fanazavana. Mafy ny fisarahana amam-paty, ary nampiova ny fomba amam-panao Malagasy ny valanaretina, ka dia ankaherezina hatrany ireo namoy havana na noho ity aretin-doza ity na ny antony hafa. Tokony mailo be hatrany kosa ny eny anivon’ny Fokontany vao hoe misy maty. Tokony hipetraka ny rindran-damina sy ny fiaraha-miasa mafonja eo amin’ny fiarahamonina, kaominina, zandary, ny dokotera ka hitsirika sy hanamarina ny toe-javatra tahaka itony. Tokony tsy hiafanafina ihany koa ny eo anivon’ny fiarahamonina raha sanatria noho ny valanaretina no nahalavo ny olona iray satria mety hanitatra ny fahavoazana.

Toky R

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap