airtel

Actualités

04-oct-2022

Actualités

Ahiana ho namono olona tao Port-Berger Norarana olom-boafidy tsy hatolotra ny fitsarana

Sample post image

Hahafaha ny toe-draharaha ao Port-Berger noho ny fitsabahana ara-politika ataona manam-pahefana manoloana ny fahasamborana olona ahiana ho tompon’antoka tamin’ny raharaha vono olona.

04-oct-2022

Lehilahy miisa 2 no voasambotry ny zandary ny alahady 2 oktobra teo rehefa nisy ny toromarika avy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ny 16 aogositra lasa teo ho fanatanterahana ny fisamborana olona roalahy voalaza fa namono olona roa tao Angodona, ao amin'ny kaomini Leanja. Voalaza anefa fa fa niantso ny mpampanoa lalàna ao Port-Berger sy Chef GAPJ Sofia ny olom-boafidy depiote ao anatin’ny mpanao lalàna, ary nanome baiko ny hamotsorana avy hatrany ireo olona ireo sady nandrara ny famotorana momba ny raharaha satria dahalo hono no maty. Voalaza ho nisy ny fandrahonana fa hifankahita, ary hitondra vahoaka avy any Port-Berger haka ireo olona nosamborina. Voalaza fa niantso ny kaomandin'ny Vondron- tobim- pileovana Sofia ihany koa ilay olom-boafidy, nitaky ny hamotsorana tsy misy hatak’andro ireo olona voasambotra. Vokany, nomena toromarika ny zandary tao an- toerana ny handefasana hody azy roalahy raha vao vita ny fakana am- bavany azy ireo. Natao teny an-dalana ny fakàna am- bavany azy roalahy, izay tokony ho natao tao amin'ny biraon’ny GAPJ tao Antsohihy ary nalefa nody ireo voarohirohy taorian’izay, raha ny tatitra hatrany. Re ihany koa omaly fa nisy olona telo, fianakavian'ny mpitory, nosamborin'ny fokonolona fa hoe izay no baiko avy amin’ilay olom-boafidy. Aiza ho aiza amin’izany ny fisaraham-pahefana ka ny olom-boafidy any amin’ny mpanao lalàna no mibaiko mpitsara sy mpitandro ny filaminana? Fahefana avy aiza no ahafahany mibaiko ny mpampanoa lalàna sy ny zandary? Ny fahefana nomen’ny vahoaka no hoentina miaro ny olona ahiana ho nanao heloka bavava? Tsy mbola misy filazana fa meloka na tsy meloka ny olona iray, ary adidin’ny mpanao famotorana sy ny mpitsara no manao ny asany, saingy misy mpanao politika tonga dia mitsivalana izany avy hatrany. Atao mahagaga ve avy eo raha mirongatra ny fitsaram-bahoaka ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap