airtel

Actualités

05-déc-2022

Actualités

Akanjo mariazy Tsy voatery ho fotsy intsony

Sample post image

Tsy voatery ho fotsy intsony ny lokon’ny akanjo mariazy amin’izao. Efa azo hatao amin’ireo loko maro isan-karazany izy io miankina amin’ilay theme-n’ny mpanambady.

05-déc-2022

Nasehon’ireo mpianatry ny Ecole de Coupe et Couture Volana izany ny faran’ny herinandro teo raha toraka izany koa ireo didin’akanjo vaovao mifanaraka amin’ny toe-batan’ilay vehivavy hampakarina sy ny taonany. Miisa 220 mianadahy izy ireo no nampiranty izany asa tanany izany narahina filatroana. Ankoatra ny lamba dia nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny legioma narafitra ihany koa ny fitafiana nanaovany izay tena nahavariana sy nahasodoka ny maro tokoa. Marihina moa fa mpianatry ny Eccova vao navoaka izy ireo rehefa nianatra momba ny zaitra amam-bolana maro ary niatrika ny fanadinam-panjakana. Nampiavaka ity andiany ity ny fisian’ireo lehilahy maromaro izay niofana sy nandray anjara tamin’izany ihany koa, andiany faha-32. Nampianarina momba ny fanjairana kiraro sy poketra ihany koa izy ireo, ny decoration interieure ankoatra ny resaka lamaody mahazatra. Mbola hitety faritra maro hamoaka mpianatra moa Ramatoa Razanamanalina Volana filoha tale jeneraliny mandritra ity volana desambra ity ka anisan’izany ny ao Fianarantsoa izay nahitana mpianatra 2 tsy afaka.
Pati
Legende : Nandritra ny fitsidihana ny sangan’asan’ireo mpianatra
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap