airtel

Actualités

22-mars-2021

Actualités

Ala simba tsy voaarina Hitarika haintany goavana eto Madagasikara amin’ny 2070

Sample post image

Hiaina haintany toy ny any amin’ny faritra Androy ny faritra rehetra eto Madagasikara amin’ny taona 2070

22-mars-2021

 

 

 raha tsy voaarina ny ala simba eto Madagasikara. Izany no vokatry ny fikarohana nataon’ireo mpikaroka, antony manosika ny Ministeran’ny tontolo iainana hanao ezaka ankehitriny.Nitohy ny Sabotsy 20 martsa lasa teo ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny ala izay notanterahina teny amin'ny station forestière Ambatofotsy. Nisy ny lanonana ara-miaramila izay nanomezana galona ireo mpianala ary koa nanomezana mari-pankasitrahana ireo mpianala lasa nisotro ronono. Taorian'izay dia nanatanteraka fambolena zana-kazo paulownia Ramatoa Ministra ka nofaranana tamin'ny fanaraha-maso ireo hazo efa maniry ao amin'ity toerana ity ny lanonana. Ilaina ny fanaraha-maso ireo hazo efa maniry ka isan'izany ny fandrantsanana izay notanterahina mba hampahazo aina tsara ireo hazo ireo sy hampahitsy tsara azy, ary koa ho fisorohana ny afo mety hitranga. Nandritra ny fandraisam-pitenena nataony dia niarahaba ireo mpianala Ramatoa Ministra nahatratra izao andro iraisam-pirenena ho an'ny ala izao ary nampanantena azy ireo fa ezahina ny hanomezana fampitaovana azy ireo mba hampirindra tsara ny fanatanterahana ny asany ary tafiditra ao anatin'izany ny fanomezana fitaovam-piadiana hiarovan'izy ireo tena. Hiankinan'ny fiainantsika ny ala, hoy hatrany Ramatoa Ministra, ka tsy manan-tsafidy isika fa tsy maintsy mamerina ireo ala efa simba. Vonona ihany koa ireo mpiara-miombon'antoka, toy ny Vondrona Eropeana izay tonga niatrika izao lanonana izao, ny hanome tanana ny Governemanta amin'ny fiarovana ny ala eto Madagasikara hahafahana manatratra miaraka ny tanjona Madagasikara Rakotra ala.

Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap