airtel

Actualités

11-mai-2022

Actualités

Alasora Nisy nanapoaka afomanga tsy nahazoana alalana

Sample post image

Nisy afomanga nipoapoaka fatratra tao amin’ny kaominina Alasora ny sabotsy 07 mey alina lasa teo. Tao amin’ny efitrano fandraisan-danonana Hahitantsoa no nitrangan’izany izay niteraka fahatairana sy tebiteby ho an'ny mponina

11-mai-2022

 tokoa, indrindra fa ireo tsy salama. Nitondra fanazavana mifandraika amin’izany ny Ben’ny tanàna Randriantsoa Jimmy omaly ka nambarany tamin’izany fa tsy nisy ny fahazoan-dalana navoakan'ny kaominina Alasora mahakasika iny afomanga nipoaka iny , ary tsy nahafantatra akory ny fisian'izany ny fiadidian’ny tanana. Izy ireo anefa no tokony hampahafantarina izany aorian’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena araka ny rafitra an-tanan-tohatra misy.Taorian'ny fanadihadihana nataon'ny mpitandro ny filaminana dia fantatra fa ny teo anivon'ny Prefektioran'Antananarivo no nanome alalana ity efitrano filanonana ity nanapoaka afomanga hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Notsiahivin’ny Ben’ny tanana ary fa izay rehetra mikasa hanapoaka afo manga ao anatin'ny Kaominina misy azy na aiza na aiza dia mila fahazoan-dalana avy any amin'ny Ministeran'ny Fiarovam-pirenena, ary aterina eny anivon’ny Kaominina izany herinandro mialohan'ilay daty hanatanterahana ny lanonana.
Pati

 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap