airtel

Actualités

06-avril-2021

Actualités

Alatsinain’ny paska Nifanitsa-kitro ny tany Toamasina…

Sample post image

Nifanitsa-kitro ara-bakiteny ny mponina tao Toamasina omaly, araka ny sary sy ny fampitam-baovao avy any an-toerana.

06-avril-2021

 

 

 

 Alatsinain’ny paska omaly, fotoam-pitsangantsanganana, ka dia nanatanteraka izany ara-bakiteny ny mponina. Toa adinon’ny olona fa ao anaty fotoan-tsarotra noho ny fipariahan’ny valanaretina coronavirus i Madagasikara, ary isan’ny tena lasibatra ny Faritra Antsinanana. Vao ny sabotsy 03 aprily lasa teo no nambaran’ny Filoham-pirenena fa mihatra eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny hamehana ara-pahasalamana, voarara ny fivorivoriana mihoatra ny 100,… Ny mpitondra sy manam-pahefana no mpamerin-doha ny vahoaka eo anatrehan’ny goragora sy ny tsy fanajana ny fisipika. Tsy resy lahatra sy tsy mino izay lazain’ny mpitondra intsony ve ny olona? Tsy mipetraka intsony ve ny fahefam-panjakana matoa tsy misy manaja ny fitsipika hapetraka? Mbola tsy tonga saina foana ve ny vahoaka fa aretina mandripaka sy mamono vetivety no mandindona ny isam-batan’olona? Antony iray mampiparitaka ny valanaretina ny fitangoronana tahaka ireny, ary tsy tany Toamasina ihany, fa ny toerana sasany teto Antananarivo aza nahitana fitangoronana be toy ny teny amin’ny By Pass. Ny mpitondra sy ny manampahefana manam-bola sy afaka mitsabo tena any ivelany, fa ny vahoaka minia tsy mihaino no sanatriavina hizaka ny taolam-be tsy mitapaka, ka entanina hatrany hitandrina.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap