airtel

Actualités

19-janv-2021

Actualités

Ambalavato Mahajanga Teratany vahiny iray namono tena

Sample post image

Lehilahy teratany vahiny iray tokony ho 67 taona no namoy ny ainyu ny famoizam-po tany Ambavalato Mahajanga.

19-janv-2021

 

 

 Olana ara-bola no fototr'izao famoizam-po izao raha araka ny vaovao azo. “Bloqué” mantsy ny volany tany amin’ny banky. Taorian’izay dia nivezivezy nikarakara izany tsy an-kiato teny amin'ny “consulat” ity tera-tany vahiny ity. Tsy nahatanty izany fivezivezena izany anefa ny anaolahy ka nanjary narary tsy fidiny. Nidina teo ambonin’ilay fandriana natoriany izy raha araka ny loharanom-baovao azo ka nakapokapony tamin’ny tany ny lohany. Niezaka ny namonjy sy nanampy ity teratany vahiny ity nandritra izany ireo olona akaiky azy. Na izany aza anefa raha vantany vao tafapetraka teo am-pandriana izy dia nivoa-dra be ny vavany, antony nitarika ny fahafatesany. Efa noraisin’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana an-tanana moa ny raharaha, raha efa tonga nijery sy nizaha ny razana ihany koa ny BMH.

Pati

 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap