Niakatra fampanoavana omaly talata 11 janoary ilay zandary manana galona “Adjudant chef” izay nitifitra olona tao Morarano Chrome Ambatondrazaka ny 20 desambra 2021. Resaka ady tany no antony, ary voalaza fa iraka hamono raim-piankaviana manana olana ara-tany amin’ny fianankaviany io zandary io, raha ny fitantaran’ilay raim-pianakaviana voatifitra teo amin’ny feny. Nambaran’ny lasibatra ho nirehareha fa manana ny Minisitry ny serasera ho mpiaro azy ity zandary ity, sady voalaza fa mpiambina an’io minisitra io. Naiditra am-ponja vonjimaika anefa ity zandary nifamaly sy niady taman'olona tany Ambatondrazaka ka nitifitra sy nandratra tamin'ny basim-panjakana fitondrany miasa ity, rehefa natolotra ny fampanoavana tany an-toerana omaly. “Izay vandana dia kary; tsy mitahiry jiolahy ny Zandarimaria sady fady kiantranoantrano; tsy ampiasaina hamahana olanao manokana ny basim-panjakana; voaheloky ny fehezan-dalàna famaizana ny mandratra olona na dia mpiasam-panjakana na miaramila ianao; matihanina ireo zandary mpanao famotorana ka na olona miasa eny anivon'ny sehatra ara-panjakana aza dia ampiharana ny lalàna velona; ezahina arahi-maso ny fampanajàna sy fanatanterahana ny fitsipi-pifehezana eo anivon'ny Zandarimaria mba ihavitsy ireo voasazy sy miditra am-ponja”, hoy ny zandarimariam-pirenena. Anterina hatrany fa ny Zandarimaria dia miezaka mifehy ireo olona eo ambany fifehezany na dia misy ireo voatendry miasa eny anivon'ny seham-panjakana hafa aza. Ny Ministera na ny Minisitra izay niasan'ity zandary ity rahateo dia tsy ary netim-panahy hoe hiaro azy tamin'ny heloka nataony, ka tsy araky ny dradradrain'ireo olona sasany tato anaty tambazotra Facebook, hoy moa ny zandarimariam-pireenena. Ireo Minisitera mandrafitra ny Governemanta sy ireo hery velona rehetra dia miara-misalahy amin'ny fampiharana ny "Tagnamaron'ny fandriam-pahalemana" sy ny tondrozotran'ny Praiminisitra dia ny "Tolérance zéro", hoy hatrany ny zandarimariam-pirenena.
Toky R
Nanapa-kevitra hampihena ny asany tsy hanao afatsy ireo asa tsy maintsy hatao sy tsy azo hialana na « service minimum» ao amin’ny QMM Taolagnaro ny orinasa Rio Tinto.
Lehilahy miisa 04 no voasambotry ny Sampan-draharahan’ny Polisim-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina teny La Haute ville sy Andavamamba afak’omaly alarobia 18 mey noho ny fivarotana heroine fantatry
Ela ny ela fa tratran’ny mpitandro ny filaminana ihany ilay lehilahy iray nampitondraina vola mitentina 12.700.000 Ar mba omena olona nefa nentiny nitsoaka.
Tovovavy kely iray vao 14 taona monja no maty novonoin’ny sakaizany ny alin’ny alahady 15 mey hifoha alatsinainy 16 mey lasa teo.