airtel

Actualités

07-déc-2021

Actualités

Ambatondrazaka Mirongatra ny fanolanana zaza tsy ampy taona

Sample post image

Mirongatra ny fanolanana zaza tsy ampy taona any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Zazavavy kely iray vao 11 taona indray no fantatra fa naolan’ny vadin’ny anabavin-dRainy in-telo

07-déc-2021

 nisesy saingy tsy sahy nitarainana tamin-dRay aman-dReniny sy ny havany mihitsy tao anatin’ny herinandro maromaro. Norahonan’io dadatoany io ho faty ilay zaza raha vao mitantara ny zava-misy raha araka ny fitarainany. Tsy sahy mamaly mihitsy aho ary manao izay tiany hatao izy hoy ilay zaza na dia efa mitomany aza aho. Tampenany ihany koa ny vavako hoy izy mba tsy hisy hahare rehefa mikiakiaka dia tahaka izay hatrany no hanaovany ahy. Rehefa tena nahatsiaro narary anefa ity zaza ity dia vaky nitaraina ihany. Mpanolana zaza tsy ampy taona iray nitsoaka teny am-pitsarana azy ihany koa no saron’ny zandary soa aman-tsara ka sahy nitoroka niaraka tamin’izay ity zaza tsy manan-tsiny ity. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana ny raharaha.
Pati
Legende : Miditra hopitaly tahaka izao amin’ny ankapobeny ireo ankizy voaolana
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap