airtel

Actualités

08-janv-2021

Actualités

Ambatondrazaka Rangahy mpanao trano nanolana zaza 6 taona

Sample post image

Zazavavikely vao 06 taona monja no fantatra fa tratry ny fanolanana nataona

08-janv-2021

 

 

 

rangahy iray 50 taona ny 05 janoary lasa teo tao Antanifotsy Ambatondrazaka, Faritra Alaotra-Mangoro. Sendra tsy teo ny renin'ity zaza tsy manan-tsiny ity izay antsoina hoe : Sandafitia no nararaotra nanao ny filan-dratsiny taminy ilay rangahy mpanao taon-trano (maçon. "Dadan'i Bam" no fiantso ity farany izay manao trano mifanila amin’izy ireo. Rahefa tonga ilay Renim-pianakaviana dia nahatsikaritra rà mikoriana tamin'ilay zaza ka nitory teny amin'ny zandarimaria avy hatrany.Araka ny famotorana fohy dia notondroin'ity zaza voaolana ity tsy tamim-pihambahambàna ilay rangahy izay nanolana azy. Mitohy ny famotorana saingy mbola raiki-tahotra ilay zaza izay nampitahorin'ilay rangahy fa ho vonoiny raha milaza na mitantara ny fisehoan-javatra. Efa manaraka fitsaboana sahaza azy ao amin'ny CSBII Ambohimasina moa i Sandafitia kely amin’izao. Tsiahivina moa fa mety hampigadra asa an-terivozona mandrapahafaty ny fanolanan-jaza.

 Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap