airtel

Actualités

22-mars-2022

Actualités

Ambatondrazaka Tovovavy mpianatra 5 no voaolana tao anatin’ny iray volana

Sample post image

Mirongatra ny fanolanana ao amin’ny Fokontany Antsahalava, kaominina ambonivohitr’Ambatondrazaka. Tovovavy kely miisa 5 no indray lasibatra tao anatin’ny iray volana.

22-mars-2022


 Vao tamin’ny sabotsy alina teo raha araka ny vaovao voaray dia tovovavy kely vao 14 taona monja, mpianatra ao amin’ny taona fahafito, izay hapetraky ny Ray aman-dReniny irery ary manofa trano no voaolana. Raha araka ny fanazavan’io tovovavy kely io dia roalahy ireo nanao an-tery setra namoha ny tranony tamin’ny alalan’ny bara pince tamin’io sabotsy alina io. Nentiny avy hatrany ilay zaza tsy manan-tsiny taorian’izany niala kely ilay trano fonenany, raha navelany tao an-trano kosa ilay zandriny kely. Rehefa avy nifandimbiasan’izy roalahy io zakan’olona io dia noroahiny mba handeha hamonjy ny trano fonenany no sady mbola narahiny vava fa vita ny nataony ka tsy ilainy intsony. Mba nitaraina anefa aho fa matahotra ny hiverina hody irery hoy hatrany ity tovovavy kely ity saingy tsy nahoan’ireo mpanolana ireo mihitsy. Miantso ireo Ray aman-dReny mampanofa trano samy irery ny zanany manovo fahalalana ao an-tampon-tananan’Ambatondrazaka araka izany ny Ministeran’ny mponina any an-toerana mba hanara-maso ireny menaky ny ainy ireny. Tokony hisy hatrany ny mpiantoka ireny ankizy ireny hoy hatrany ny ministera fa tsy jerena fotsiny amin’izao. Etsy an-daniny horaisin’ny mpitandro ny filaminana an-tanana ny fikarohana ireo mpanolana.
Pati
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap