distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Miezaka mitady vahaolana mifandraika amin’izany ny Ben’ny tanana teo aloha no sady mbola Kandida Ben’ny tanana amin’ny fifidianana hotanterahina ny 11 Desambra ho avy io Ratoetrarinanja Jean Louis. Natolotry ny tsy miankina ity Kandida ity ao amin’ny laharana faharoa. Nihaona mivantana tamin’ny mponina tao amin’ny Fokontany Amboatavo ny tenany ny faran’ny herinandro teo ka nambarany tamin’izany fa asa tsy mila kabary ny azy. Tonga nidina ifotony teny an-toerana avy hatrany nanao fanadihadiana mikasika ny hametrahana forage ao anatin’ny Kaominina Ambavahaditokana ireo tompon’andraikitra misahana izany. Hamboarina ihany koa ireo ampahan-dalana ambin’ny 3 Km tsy vita ao Amboatavo raha anisan’ny asa goavana mbola hotanterahiny ny fananganana lisea ao amin’ity kaominina ity. Manam-bola amin’izany ny Kaominina raha ny nambarany izay mbola hangatahina fanampiana avy amin’ny Fanjakana rehefa tena mandeha ny asa. Notsiahivin’ity Kandida iray ity moa fa ny mbola hanohy ny asa vita no antony mbola hirotsahany hahafahana tena mampandroso an’Ambavahaditokana marina.
Pati
Legende : Ny Kandida Ratoetrarinanja Jean Louis nitafa tamin’ny vahoaka tao amin’ny Fokontany Amboatavo !
Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?
Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola
Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga
Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena
Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa
Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,