airtel

Actualités

20-juin-2022

Actualités

Amboatavo Itaosy Nahitana fatin-jazakely tsy nisy lohany intsony

Sample post image

Zaza iray manodidina ny 2 taona eo ho eo no hita faty tsy nisy lohany intsony teny Amboatavo Itaosy, kaominina Itaosy Atsimondrano ny faran’ny herinandro teo raha araka ny loharanom-baovao azo.

20-juin-2022

Tsy nisy lohany intsony ity zaza tsy manan-tsiny ity no sady tsy teo intsony ihany koa ny filahiany na ny fivaviany, antony tsy nahafantarana azy na lahy na vavy. Raha araka ny fantatra anefa dia zaza botabota kely ity tsy manan-tsiny ity. Olona sendra nandalo moa no nahita ny razana hoy hatrany ny vaovao ka nampandre avy hatrany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Ny BMH kosa no nitondra ny razana niazo ny tranom-paty taorian’ny fizahana nataony raha ny kaomisarian’Itaosy no mandry an-tanana ny fanadihadiana. Lasa mitaintaina ireo mponina eny an-toerana vokatr’izany. Mandeha ihany koa mantsy ny resaka fa mety mamono zaza tahaka izao ireo mpangalatr’olona ka tokony samy hitandrina ny rehetra.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap
24-avril-2024

Voaheloka higadra 2 taona an-trano maizina miampy fandoavana onitra mitentina 300 tapitrisa Ar

Card image cap
24-avril-2024

Mitombo indray tato ho ato ireo olona manary zanaka eto amintsika. Zazavavy kely mbola menavava vao teraka

Card image cap
24-avril-2024

Olona miisa 11 be izao no nokaikerin’ny alika romotra tany amin’ny distrikan’i Soanierana Ivongo,

Card image cap
24-avril-2024

Hita tao anaty rano omaly maraina, tao amin’ny fokontany Morafeno-Ankeniheny,

Card image cap
23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap