airtel

Actualités

20-janv-2021

Actualités

Ambohimangakely Nafotaka ny fandrodanana trano

Sample post image

Trano biriky teo amin’ny 5 sy trano hazo manodidina ny 15 no narodana omaly

20-janv-2021

 

 


teny Ambohimangakely noho ny fanamboaran-dàlana ataon’ny kaominina. Ny trano narodana, ny vola tsy misy, ka miantso ny Filoha mba hijery anay, hoy ny renim-pianankaviana, izay isan’ireo rava trano, naneho fa tao ny vadiny no maty vao herintaona latsaka. Tsisy azonay antenaina aloha hatreto taorian’izao fandrodanana, na nisy “préavis” aza tokony nomena toerana izahay, hoy izy ireo. “Mitady ny filaminana sy ny fanovana ny kaominina Ambohimangakely. Tsy hevitra avy amin’ny ben’ny tanàna manokana, fa hevitra ny teo anivon’ny kaominina manontolo, avy amin’ny vahoaka manontolo hoe andao isika mba hivoatra sy hiditra any amin’ny filaminana tanteraka”, hoy kosa ny ben’ny tanàna Atoa Thierry Radafy. Milamina hatreto ny fandravana satria ny lalàna no nampiharina, nojerena ny tokony haleha sy tokony hatao vao nanomboka ny fandrodanana. Fanohizana ny asan’ny mpitantana teo aloha amin’ny alalan’ny fandravana ireo trano sy tsena miorina amin’ny fomba tsy ara-dalàna, efa nisy ny fampiomanana ary tsy iray andro na roa andro no nanaovana izany fa efa amam-bolana, hoy izy. Efa nampanantsoina izy ireo, ary nisy fihaonana in-droa miantoana nialohan’ny fihibohana, ka nasaina nanoratra anarana sy nanangana fikambanana. Efa nifampiresahana tamin’izy ireo ka izay nanoratra anarana dia mivarotra ao anatin’ny tsena izay natokan’ny kaominina. Misy ny “arrêté” napetraka momba an’io. Amoron-drano io ary afovoan’arabe, an’ny Fanjakana ny tany, tsy misy fahazoan-dàlana ara-dalàna hanorina, ary efa nanaiky izy ireo fa raha vao ilain’ny kaominina ny tany dia tonga izahay dia afaka miala, hoy ny tatitra nataon’ny ben’ny tanàna. Eo am-pangatahana amin’ny Fanjakana amin’ny ahafahana manangana tsena eo amin’ny toerana eo anilan’ireo noravana ny kaominina Ambohimangakely amin’izao fotoana izao.



 Toky R

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Nanamarika iny herinandro iny ny fampahafantarana fa ilay teratany Israelianina Ron Weiss

Card image cap
23-avril-2024

Nihena ny trangana fanolanana tao anatin’ny 100 andro voalohany nitondran’i Andry Rajoelina,

Card image cap
22-avril-2024

Eny amin’ny lalam-pirenena faha 4 na RN4, ao anatin’ny distrikan’Ankazobe moa no misy ilay

Card image cap
22-avril-2024

Ny 10 mey izao, raha tsiahivina, no hivaly ny fitsaràna ny raharaha Romy Voos Andrianarisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Tsy ho simba sy ho verivery fotsiny intsony manomboka izao ny voankazo vokatra ao Fenoarivo Atsinanana sy ny manodidina.

Card image cap