airtel

Actualités

04-nov-2021

Actualités

Ampamoaka volabe Tsy marina io resaka “prime” io, hoy ny Jirama

Sample post image

Niparitaka nanomboka omaly taratasy miendrika antontan-kevitra voalaza fa famoaham-bola teo anivon’ny Jirama, ka isan’ny niaingan’io Atoa Mahery Lanto Manandafy na i “Malama”,

04-nov-2021

 isan’ireo olo-malaza amin’ny fanehoan-kevitra sy karazana tsikera na “influenceurs” amin’ny Facebook. Misy sora-bola 1 miliara mahery (1 031 000 000Ar) voalaza fa fankasitrahana manokana na “prime exceptionnelle” navoaka ny 31 aprily 2021, ka voalaza fa nomena olona miisa 32 teo anivon’ny orinasa, 5 000 000Ar ka hatramin’ny 180 000 000Ar isan’olona. Rehefa ialan’ny IRSA (Impôts sur les Révenus Salariaux et Assimilés) io dia somary latsaka kely satria 827 760 000Ar no tena niditra any am-paosy, raha ny voarakitr’ity taratasy ity. Voatonona ho nahazo 180 000 000Ar ny Tale Jeneralin’ny Jirama teo aloha Atoa Vonjy Andriamanga; 140 000 000 ny an’ny Tale jeneraly Vonjimaika ankehitriny Atoa Radanielina Rivo Herilala,… Ny “situation” na ny fipetraky ny toe-bolan’ny Jirama anefa ny 15 jona 2021, dia voasoratra ao anatin’izany fa 866 935 037 751,31Ar ny tohana ara-bola na “subevention” ho an’ity orinasa ity, hoy ilay taratasy. Omaly takariva, nitondra fandisoana ny Tale Jeneralin’ny Jirama Atoa Radanielina Rivo Herilala , fa “fanakorontanana iniana atao ny tanjona amin'ny fanapariahana atontan-taratasy milaza fa nisy "prime exceptionnelle" eo anivon'ny jirama. Atontan-taratasy notefena ivelan'ny jirama, fa tsy nivoaka avy amin'ny orinasa”, hoy izy. Nilaza io Tale Jeneraly io, fa tsy mandà ny fisian'ny " prime", fa kosa manaja ny lalàna misy no sady manaja ny fenitra fandoavana izany. Efa mandeha ny fanadihadihadiana mahakasika ny raharaha, hikaroana ny olona mety nandrafitra sy nanaparitaka io atontan-taratasy io, hoy izy. Hitory izay olona namoaka ity taratasy lazaina fa fanakorontanana ity ary ve ny Jirama sy ny Fanjakana? Tsy niandry ela valin-kafatra avy amin’I Mahery Lanto Manandafy nilaza hoe: “Omeo ahy ny porofo fa diso io taratasy navoakako io, torio hoe jerena”. Raha zohiana dia samy manitrikitrika izany, fa samy manana ny rariny. Hanao ahoana ary ny tohiny ?

TSY VAO IZAO
Na inona na inona holazaina, dia ratsy tantana ny Jirama hatrizay, ary ny Praiminisitra aza efa niaiky an’io. Ny orinasa toa ataon’olom-bitsy tantely afa-drakotra, tsy mahavelon-tena, ratsy tantana, delestazy lava, mambotry vahoaka, faktiora midangana,… Ny aogositra 2020 dia efa nilaza ny Mpikamban’ny filankevi-pitantanana iray nanao ampamoaka momba ny fitantanana tsy manjary, fisiana fatiantoka 1 200 miliara Ariary, tao ny famoronana toerana sy andraikitra tsy mifanaraka amin’ny satan’ny orinasa, ny resaka fividianana fiara, olona efa nesorina tamin’ny toerany mbola hamoahana vola amin’ny anaran’ny Jirama,… Ny 13 oktobra 2021 vao nesorina ny Tale Jeneraly teo aloha Atoa Vonjy Andriamanga! Ny mpitantana ihany koa no mety miova, fa ny mpiasa eo foana!

 

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap