Misy orinasa te hampiasa vola sy hanao fandraharahana mikasika ny fifandraisan-davitra sy ny « connexion mobile », raha ny nambaran’ny Filoham-panjakana Randrianirina Michael tao anatin’ny tatitry ny diany tany Afrika Atsimo. Ampahany tamin’ireo voalaza fa sehatra ara-pandraharahana nanehoan’ny Afrikanina tatsimo fa tiany hiarahana miasa. « Ezahanay ny hanala ny sakana rehetra mahatonga ny ampihimamba na « monopolisation » an’io sehatra iray io. Ezahana esorina malaky ny andinin-dalàna izay manakana an’ireo vahiny ireo tsy ho afaka hiditra eto mba hahafahantsika mampidina ny vidin’ny fifandraisana sy ny internet », hoy ny Kolonely Randrianirina Michael. Tsiahivina fa efa an-taonany ny fifanenjanana teo amin’ny mpandraharaha amin’ny fifandraisan-davitra na “opérateurs mobile” sy ny Fanjakana. Sehatra izay isan’ny nanano sarotra taorian’ny nirosoan’i Madagasikara tamin’ny « privatisation ». Taona vitsivitsy lasa, efa nisy fanadihadiana parlemantera mikasika ny tolotra, ny sarany midangana,ny ampihimamba,… saingy tsy hita izay vokany. Efa nisy ihany ny fidinan’ny vidin’ny internet tamin’ny faramparan’ny taona teo, taorian’ny fifampiresahana teo amin’ny Fanjakana sy ny « operateurs téléphoniques », saingy mbola tsy tena araka ny andrasan’ny besinimaro izany. Ny mpanjifa dia mbola mitaky fihenam-bidy lalindalina kokoa sy kalitao ambony kokoa amin’ny tolotra, mbola betsaka ireo fitarainana mikasika ny ahiahina halatra amin’ny alalan’ny fahalaniana haingana dia haingana eo amin’ny fahana, kanefa ny tolotra tsy arakaraka izany,... Raha manao kajikajy tsotsotra isika hoe : raha misy mpampiasa finday sy internet manodidina ny 10 tapitrisa ohatra eto, ka very 100Ar isan’andro fotsiny isan’olona, dia efa 1 000 000 000Ar isan’andro izany. Noho izany, ny fanalalahana ity sehatra ity dia tsy midika velively ho famakiana ady amin’ireo orinasa efa misy, fa kosa fanatsarana ny tontolon’ny fifaninana sy ny safidy. Ny tanjona dia ny hanokatra sehatra ho an’ny mpandraharaha vaovao, na avy eto an-toerana na avy any ivelany, mba hahafahan’ny mpanjifa misafidy tolotra mifanaraka amin’ny filany sy ny fahaizany mandoa. Ny fisian’ny fifaninanana misokatra dia manampy amin’ny fampidinana ny vidin’ny tolotra, manatsara ny kalitaon’ny serivisy, ary mampiroborobo ny fanavaozana ara-teknolojia, indrindra fa isan’ny tsy azo hihodivirana amin’izao vaninandro iainantsika izao ny anjara toeran’ny nomerika amin’ny toekarena satria fihariana maro no miankina amin’izany. Ny nomerika dia tafiditra amin’ny seha-pihariana maro ka tafiditra sy manan-danja ny telecom, fikirakirana ara-bola, e-commerce, IT services,… ka rariny raha misy ny fijerena manokana ataon’ny Fanjakana. Any amin’ny firenena hafa, ny “digital economy” dia mety mitentina eo anelanelan’ny 5–15% amin’ny harin-karena faobe na PIB, saingy heverina fa mbola ambany ny eto Madagasikara.
Toky R