airtel

Actualités

07-oct-2021

Actualités

Analakely Niova endrika tanteraka ny “Zaimaika”

Sample post image

Samy mitaky ny fahadiovana avokoa ny ankamaroan’ny mpanara-baovao, raha vao navoaka tanaty tambazotran-tserasera ny endrika vaovaon’ny Zaimaika, tamin’ny herinandro.

07-oct-2021

Voalazan’ireo mpiandraikitra, tahaka ny Delege fa tsy andeferana intsony ireo mpivarotra tsy mitandro ny fahadiovana. Nambaran’ireo solontenan’ny mpanamboatra tsena fa efa tsy ao ambany intsony ny WC public. Maro amin’ireo mpivarotra ihany koa no maniry ny fikojakojana ny foto-drafitrasa sy ny fanadiovana ho ankinina amin’ny tsy miankina, raha ny fampitam-baovao voaray. Mampintaraina ireo mponina eny amin’ny manodidina ny tsy fandriam-pahalemana , indindra, amin’ny alina ka tsy vitsy ireo velom-paniriana ny hisian’ny jiro manazava amin’ireo lalana manodidina. Anisan’ny tsangambato nilokalokan’ny ben’ny tanàna ankehitriny tamin’ny fampielezan-kevitra ny famitana ity tsenan-tsakafo ity. Voalazan’ny mpivarotra iray fa efa in’efatra niova ny mpanamboatra azy vao vita ny Zaimaika. Marihina moa fa mihoatra ny taonjato iray ity tsena ity. Ny taona 1918 no nananganana ny Zaimaika, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap