airtel

Actualités

11-oct-2022

Actualités

Analamalotra Toamasina II Tanin’olona « titré » sy « borné » no noterena nametrahana vato fototra ?

Sample post image

Tanin’olona voalaza fa titré sy borné, no nametrahana vato fototra tany Analamalotra Toamasina II. Raha araka ny fantatra dia ny ONG Saint Gabriel miaraka amin’ny Frera Karana dia efa resy teny amin’ny Fitsarana,

11-oct-2022

fa nampiasa ny fahefana mpanatanteraka tao anatin’izao fitondrana izao hoy ny vaovao hakana ny tanin’olona. Ny Minisitra rehetra nifandimby, eny fa na ireo Minisitry ny Fitsarana miisa 2 teo aloha aza hoy ny vaovao dia samy efa nitsipaka ny fangatahan’io ONG Saint Gabriel io, satria raharaha efa namoahan’ny Cour de cassation didim-pitsarana izy io. Toy izao ilay didim-pitsarana : " cour de cassation « Chambre Civile, Commerciale et Sociale » a rendu la décision suivante (Pièce n°4) - CASSE ET ANNULE SANS RENVOI l'arrêt civil n°CATO-331/CIV/11 du 02 Août 2011 rendu par la Chambre civile de la Cour d'appel de Toamasina; - Ordonne la restitution de l'amende de cassation; - Condamne la défenderesse aux dépens ". Efa in’efatra nanao fangatahana « interprétation » an’ ilay didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana mpandrava didy teny amin’ny Minisitera ny ONG Saint Gabriel, saingy nolavin’ny Minisitra foana ny fangatahany satria raharaha efa namoahan’ny Fitsarana an-tampony didy izany. Ilay fangatahana interprétation nataony farany no natao an-tsokosoko ny desambra 2021 hoy ny loharanom-baovao azo. Ny nahavarina tamin’izany dia lasa nivadika « chambre pénale » no mandinika ilay didim-pitsarana kanefa dia didim-pitsarana civile hatrany am-boalohany ilay izy . Ny arrêt dia civile kanefa lasa ny cour de cassation pénale ary chambre de cassation pénale no mijery azy. Efa nisy didim-pitsarana teo alohan’io, izay nilaza fa tsy mahefa ny cour de cassation, satria raharaha efa voatsara ilay izy . Efa im-betsaka notsaraina teo anivon’ny ftsarana mpandrava didy io ady tany io kanefa dia nofohazina tampoka teo . Lasa nivadika raharaha ady heloka ilay raharaha ady madio, izany hoe lasa mampigadra. Tao anatin’izany no nilazana indray, fa misy " olana ara-materialy hono. Dia satria rehefa misy olana ara-materialy, amin’ilay raharaha ady madio navadika ho raharaha ady heloka dia naverina teo anatrehan’ny cour de cassation indray, io raharaha io . Naverina notsaraina tampotampoka indray, satria nisy baiko nilatsaka avy any amin’ny Faratampony hoy hatrany ny vaovao . Voatery notsaraina faran’izay haingana ilay raharaha, ka navadika nefa raharaha efa vita tsara teo aloha . Efa nanapaka ny Fitsarana tamin’io andro io, fa hahemotra amin’ny 04 oktobra 2022 ny raharaha, fa tsy ho tsaraina ny andron’io . Efa nosoratana tao anatin’ilay boky mirakitra ny raharaha na ny Plumitif mihintsy aza io fapahan-kevitra fanemorana io . Efa lasa nandeha nivoaka daholo ny olona no nantsoina niverina indray, ka nolazaina fa hoe : misy baiko milatsaka, fa tsy maintsy tsaraina androany dia androany ihany ity raharaha ity " . Iaraha-nahita ny zava- nisy taorian’izay, satria dia tonga tany Analamalotra Toamasina ny filoham-pirenena, ka teo amin’ny tanin’olona Titré Borné no nametrahany vato fototra niaraka tamin’ireo filoham-piangonana katolika . Araka ny loharanom-baovao dia tsy misy nidiran’ny resaka katolika mihitsy io tany io tany am-boalohany, fa rehefa tsy nahazo fandresena teny amin’ny Fitsarana ilay Frera Karana dia noentiny tamin’ny anaran’ny Katolika, ka izao nanaovany « intervention » tany amin’ny Faratampony izao hanao tsindry ny fitsarana. Efa nanadihady tsara ve, sa nofitahan’ilay Frera Karana sy ny olona manodidina azy ny filoham-pirenena tamin’ity raharaha ity ?
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap