airtel

Actualités

12-oct-2021

Actualités

Analamanga Park Nisy firehetana nampiahiahy omaly

Sample post image

Nisy firehetana tao Analamanga Park omaly tolakandro, raha ny fampitam-baovao voaray avy eo anivon’ny governoran’Analamanga.

12-oct-2021

 Ny ala sy ny tanety manodidina izay tsy lavitra ny Bungalow VIP no may tamin'izany. Raha ny fitsirihana voalohany hita teny an-toerana izay tombanana ho niaingan'ny afo dia nisy baoritra may izay mahatonga ny ahiahy tsy hiavanana "sao" nisy nandrehitra. Efa tonga teny an-toerana ny Zandary manao ny fanadihadiana sy ny fizahana lalina. Isaorana ny vahoaka sy ny mponina eny amin'ny kaominin’Ambalavao notarihin'ny ben'ny tanana namono ny afo. Teo ihany koa ny ben'ny tanàna ao Antananarivo Renivohitra sy ny eny Tanjombato Atsimondrano nandefa ny mpamonjy voina namono ny afo ka nahafehezana tanteraka ny afo teny an-toerana. Tsiahivina fa efa nisy ny firehetan'ny tanàna toy izao tamin'ny 2017 ka nahamaizana Bungalows miisa 3 teny an-toerana ka efa nosoloina vaovao ankehitriny, hoy hatrany ny governora.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap