airtel

Actualités

18-oct-2021

Actualités

Analamanga Park Vita ny asa fanavaozana, misokatra amin’izay

Sample post image

Niverina nisokatra nanomboka ny Sabotsy teo ny toeram-pialamboly sy fitsangantsanganana “Analamanga Park” ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Ambalavao, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

18-oct-2021

 Raha tsiahivina dia nohavaozina tanteraka ity foto-drafitrasa ity nandritra ny 2 taona. Vola mitentina 2 miliara Ar no lany tamin’izany. Ankehitriny ahitana bungalow miisa 20 ao anatiny, miampy toerana fanaovana fanatanjahatena, toerana fanaovana fety ary dobo filomanosana. Hetsika ara-javakanto sy fanentanana ary lalao maro no nentina nanamarihana ny fisokafan’ity ivon-toerana ity, notarihan'ny filohan’ny repoblika Andry Rajoelina. Anisan’ny tena goavana ilay afon-dasy lehibe niarahana tamin'ny mpanakanto Mr Sayda, Raboussa, Samoela …. Marihina moa fa hitondra tombontsoa betsaka ho an’ny mponina ao Ampangabe, kaominina Ambalavao , ny fisokafan’ity ivon-toerana ity indrindra fa eo amin’ny resaka fihariana. Mety tsy haharaka indray mantsy izy ireo amin’ny resaka asa tanana sy fivarotana zana-boankazo…. Ho an’ny Filohan’ny Repoblika manokana moa dia fantatra fa hananganany lisea manara-penitra ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambavalavao hanampiana ny mpianatra. Hampitomboina ihany koa hoy izy ny vola fanampiana ho an’ny kaominina avy amin'ny fanjakana, indrindra fa ho an’ireo tena miasa hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina amin’ny andavanandro.
Pati

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap