airtel

Actualités

29-avril-2022

Actualités

Andekaleka Manomboka ny andrana fampandehanana ilay milina G2

Sample post image

Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny rian-drano tany Andekaleka ny ministry ny angovo sy ny akoranafo, Andry Ramaroson,

29-avril-2022

sy ny tale jeneraly mpisolo toerana an’ny orinasa Jirama, Rivo Radanielina ary ny Tale misahana ny herinaratra eo anivon’ny Jirama, Désiré Marcel Randrianarisoa ny faran’ny herinandro teo. Ny fanaraha-maso ny fizotry ny asa taorian’ny fahamaizana niseho tao an-toerana ny 2 janoary lasa teo izay nampitsahatra tanteraka ny famatsiana herinaratra tao amin’ity toby ity no anton’izao fidinana ifotony izao. « Nanome antoka ny mpanjifa sy ny vahoaka malagasy izy ireo fa tsy maintsy tafarina io fahasimbana io… nanome toky ko aizy ireo fa isaky ny 6 herinandro dia tokony mamerina groupe iray ary averinay ihany fa tsy nisy groupe nandeha na iray aza tamin’izany fotoana izany. Amintsika miteny izao, efa misy groupe iray tafaverina mamatsy herinaratra miainga avy any Andekaleka », raha araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA, Rivo Radanielina. Omaly 28 Aprily tamin’ny 1 ora 20 mn maraina ihany koa dia niroso tamin’ny fanombohana ny andrana fampandehanana ilay milina faharoa G2 ny teknisiana ao Andekaleka ka 7MW no tanjany tany am-piandohana. Nampiakarina tsikelikely izany fa nahatratra ny tanjany faratampony 30MW io milina io omaly tamin’ny 5 ora maraina. Mbola anatin’ny fanaraha-maso tanteraka io milina io anefa ny teknisiana mba hisorohana indray ny mety ho tsy fahatomombanany. Herinaratra 56MW arak’izany no vokarin'ny toby famokarana herinaratra azo avy amin’ny rian-drano ao Andekaleka. Ny 26MW avy amin’ilay milina G3 izay efa namokatra nanomboka ny volana febroary lasa teo ary ny 30MW kosa avy amin’ny milina G2, izay mbola arahi-maso. Rehefa tafapetraka ity milina faharoa ity dia hiroso amin’ny fampandehanana ny milina farany G1 ny teknisianina ka raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny orinasa JIRAMA dia any amin’ny tapaky ny volana may any ho any dia milina telo no hiodina ao Andekaleka. Aorian’izay kosa dia hiroso amin’ny fametrahana ilay milina fahaefatra ireo teknisianina avy eo anivon’ny orinasa JIRAMA. « Efa manodidina ny 70% ny fahavitan’ny asa amin’ny fametrahana io milina fahaefatra io amin’izao fotoana izao. Rehefa tafapetraka ireo milina efatra ireo dia hahatratra 120MW ny famokarana angovo azo havaozina ao Andekaleka », hoy ny Tale jeneraly, Rivo Radanielina. Raha ny fanazavan’ny tale jeneraly lefitra misahana ny herinaratra, Marcel Désiré Randrianarisoa dia any ho any amin’ny faran’ny volana Jolay no ho vita tanteraka ary hiodina avokoa ireto milina efatra ireto.
Pati

Legende : Nandritra ny fitsidihana notanterahin’ireo tompon’andraikitra
 

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap