airtel

Actualités

13-avril-2021

Actualités

Andriamanana Rijasoa Josoa “Tsy nampoiziko ny tsy ho voaray mpiasam-panjakana”

Sample post image

Tao anatin’ny horonan-tsary na “vidéo” naharitra ora iray sy folo minitra, nivantana tamin’ny tambazotran-tserasera sosialy facebook,

13-avril-2021

 

 

 

 ny alin’ny alahady 11 aprily 2021 no nanaovan-dramatoa Andriamanana Rijasoa Josoa, minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha “révélations” na fanambarana maromaro mikasika ny diam-piainany. Tao anatin’izany no nilazany fa teo amin’ny faha-14 taonany no nitsiry tao aminy ny faniriana ho tonga minisitra. Nametra-panontaniana aho, hoy i Rijasoa Manana, ahafantarana azy, rehefa nahita an’i Marolahy William, izay dadatoany, voatendry ho minisitry ny “Instruction Publique” tamin’ny jolay 1995, hoe : inona no nahatonga azy ho minisitra ary inona no diplaoma ilaina amin’izany ? Nodiaviko avokoa ny fianarana nataon’ny dadatoako. Tao amin’ny Ecole Normale Supérieure (ENS) nahazo diplaoma CAPEN ho mpampianatra teny anglisy. Tsy nijanona teo fa mbola nanohy fianarana tany Etazonia, nandritra ny 13 taona ary nahazo diplaoma “doctorat” ho mpampianatra amin’ny ambaratonga ambony, nahazo fankasitrahan’ny mpitsara ary sangany “Major” tamin’ny andiany nisy azy. “Toa ny faniriako fony kely, fa tonga minisitra aho”, hoy i Rijasoa Manana na efa-bolana monja aza no tao amin’izany toerana izany. “Tsy nandoa Ariary, tsy nanao risoriso fa dosie 20 pejy no niteny”. Minisitry ny fanabeazam-pirenena tao amin’ny governemanta Ntsay Christian i Rijasoa Manana, ary ny jona 2020 no nesorina tamin’izany toerana izany. “Ekeko ho tsy fahombiazana iny “échec », ary raisiko ny andraikitra manoloana izany”, hoy izy. “Manana diplaoma ambony “doctorat” aho, efa avy minisitra fa tsy nampoiziko ny tsy ho voaray mpiasam-panjakana”, hoy i Rijasoa Manana. Nisy fotoana nalahelo nefa nitodika amin’Andriamanitra aho, hoy ity farany, ary ankehitriny lasa tompon’andraikitra tetikasa lehibe eo anivon’ny Fiangonana Loterana Malagasy ary koa mpampianatra amina oniversite Kristianina vitsivitsy araka ny nambarany. Tao anatin’ilay “vidéo” ihany koa no nampahafantarany fa nisy aretina nahiana ho homamiadana nahazo azy ny taon-dasa ary tsy maintsy nodidiana tamin’ny volana novambra 2020. Ankehitriny, Mpiandry, mandroaka devoly, mino ny fiasan’Andriamanitra ny tenany. “Tsy mahantra olo-mahay eto, fa mahantra olo-marina matahotra an’Andriamanitra”, hoy Andriamanana Rijasoa Josoa.

 

Jean D.

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap