airtel

Actualités

22-mars-2022

Actualités

Andro iraisam-pirenena momba ny ala Ny orinasa Fanalamanga no nanamarihana azy

Sample post image

Nankalazaina tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny orinaasa Fanalamanga ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena momba ny ala omaly 21 martsa.

22-mars-2022

Lanonana notarihan-dRtoa Vina Marie Orléa Minisitry ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny ekipany, natrehan'ireo solombavambahoaka avy amin’ny distrikan’Ambatondrazaka José Alain Filohan'ny kaomisiona tontolo iainana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena, ny solombavambahoakan’Amparafaravola Rabekijana Félix, « rapporteur » ao aimin’ny kaomision’ny tontolo iainana, ny solombavambahoakan’i Moramanga Lova Rajaobelina sy ireo olo-manakaja miaramila sy sivily nasaina, ary indrindra ny orinasa Fanalamanga notarihan' Atoa Tale jeneraliny Rabetsivahiny Arlem sy ny mpiara-miasa aminy. Nisy ny fametrahana araka ny fomba ofisialy galona hoan’ireo polisin'ala, izay notarihin’ny minisitra. Naneho fisaorana ny minisitra noho ny fahatongavany mitsidika ny orinasa Fanalamanga izao izay eo hambany fiahian’ity minisitera tarihany ity noho izany ny Tale Jeneralin’ny Fanalamanga. Nanome toky fa vonona ary hametraka soa hiombonana hanasoavana ny orinasa Fanalamanga izay reharehan’i Moramanga sy ny faritra Alaotra Mangoro sy ny firenena Malagasy io Tale Jeneraly io. Niarahaba ny mpitantana ny orinasa sy ny mpiara-miasa ary namelabelatra ny fomba hitondrany hampadrosoana ny ministera tantanany kosa Rtoa Minisitra. Nofaranana tamin’ny fitsidihana ireo tranoheva na « stand» samihafa ny fotoana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap