airtel

Actualités

13-janv-2021

Actualités

Andron’ny manamboninahitra Nanamafy ny firaisan-tsaina ny zandary

Sample post image

Horakoraka, poa-basy lavareny, baiko hentitra no nentin'ireo Manamboninahitra

13-janv-2021

 

 

 

zandriny namoha vao tsy mangiran-dratsy akory ireo Manamboninahitra zokiny eraky ny toby sy ny lakazera rehetra manerana ny nosy. Fombam-pitaizàna sy soatoavina ara-miaramila (tradition) nipoitra sy niainana avy ao amin'ny Akademia miaramila Antsirabe izany nanomboka ny niorenany ny 12 janoary 1967 nentin'ireo mpianatra manamboninahitra hanehoana ny hetahetan'izy ireo hanatsaràna ny tontolom-piainany sy ny fanabeazana ary ny fitaizàna. Taty aoriana dia napetraka ho "Andron'ny Manamboninahitra" miaramila malagasy rehetra ny andron’ny faha 12 janoary, ka nankalaza izany avokoa ny eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena sy ny Tafika Malagasy omaly. Ho an’ny teny amin’ny Toby Jeneraly Ratsimandrava Richard tetsy Andrefan'Ambohijanahary, dia natrehan'ny Jeneraly Andriamahefa izay nivoaka tamin'ny andiany voalohany tao amin'ny Akademia miaramila sady "Major de promotion" sy ny Jeneraly Ravalomanana Richard Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria (SEG) ary ny Jeneraly Andrianjanaka Njatoarisoa, Komandin'ny zandarimariam-pirenena (COMGN) miaraka amin'ireo Manamboninahitra rehetra tsy ankanavaka. Ny Manamboninahitra zandriny indrindra no nitarika ny fibaikoana omaly, ka nandahatra ny tontolo andro.Natomboka tamin’ny fananganan-tsaina sy ny firedonana ny hira fanevan'ny Akademia miaramila dia ny "Feon'Anjomara" ary ny fanolorana solom-bodiakoho ho an'ireo Manamboninahitra zokiny indrindra. Ny jeneraly SEG kosa, nifanotrona tamin'ireo Manamboninahitra rehetra, ary nanolotra lelavola 40.000.000Ar ho an'ireo zandry. Nohamafisiny fa tokony ho hita taratra eny anivon'ny fiaraha-monina sy mpiray tanindrazana ny maha-maodely ny Manamboninahitra zandary. Narahana hazakazaka itambarana (cross de masse) nanodidina ny farihin'Anosy moa izany ary nofaranana tamin'ny fanatanjahan-tena iraisana, toy ny basket-ball, volley-ball, tennis de table ary pétanque ny tapany maraina, arahin’ny fiaraha-misakafo am-pirahalahiana teny amin'ny Cercle mess etsy Fort-Duschesne ny mitatao vovona niarahana tamin'ireo Andriambavilanitra andefimandry, ao anatin'ny fanajàna ny fepetra ara-pahasalamana.

 

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap