Nandray fitenenana tamin’ny teny Malagasy mazava sy mahitsy izy ka nanamafy fa misokatra amin’ny fampiasam-bola i Madagasikara saingy misy fepetra tsy maintsy arahina, dia ny fenitra ara-tontolo iainana iraisam-pirenena, ny fenitra ara-teknika voasedra sy voaroporofo ary ny fampidirana am-panajana ireo vondrom-piarahamonina eny ifotony. Nambarany fa ny tetikasa momba ny angovo tsy manaja ny tontolo iainana sy ny vahoaka dia tsy azo iainana maharitra. Ankehitriny ny tantsaha Malagasy iray misitraka herinaratra sy angovo madio dia afaka manova sy manodina ny vokatra anatiny ka tsy resaka angovo fotsiny fa mipaka amin’ny rariny ara-tontolo iainana. Namafisin’ny Filoha fa manolotra fiarahamiasa sy fitomboana ara-toekarena i Madagasikara ka manangana tetikasa lehibe ara-angovo toy ny ao Sahofika sy Volobe hanatratra ny 75% amin’ny angovo azo havaozina hatramin’ny 2030. Nitodika tamin’ny rehetra ny tenany ka nanamarika fa ivon’ny asa sy fanapahan-kevitra ny fihaonana any Abu Dhabi ary «tapitra ny diplaomasian’ny teny fikasana sy ny fampanantenana fa tonga ny fotoana fanatanterahana». Niantso ireo mpampiasa vola izay manatrika ity ADSW 2026 izy mba tsy hijery fotsiny ny antontan’isa ara-bola fa handinika ny haavon’ny fitomboana maharitra ho an’i Madagasikara ka nanamarihany fa ny South Global na ny ilabolan-tany Atsimo dia tsy tokony hosokajiana ho loza mitaky fandrindrana fa andry lehibe hoenti-mandrindra ny fiovaovan’ny toetr’andro sy fanesorana entona carbone maneran-tany. «Vonona tanteraka i Madagasikara, manana harena voanjanahary miavaka, manana vina mazava eo amin’ny sehatry ny angovo, manana tetikasa voafaritra tsara ary indrindra manana finiavana politika matanjaka» hoy hatrany izy. Nambarany mazava fa tsy fampanantenana no tadiavin’i Madagasikara fa ny hananana fiaraha-miasa maty paika hahafahana manorina sy mitantana ary mampita fahaiza-manao ho tombotsoan’ny roa tonta sy ny taranaka ho avy. Niantefa tamin’ireo tanora mpamorona sy mpandrindra vahaolana ny antso mba hanolotra vahaolana maharitra sy mahazaka sedra ary mifanaraka amin’ny zava-misy ara-piarahamonina sy ara-kolontsaina eny ifotony. Tsy sehatra mila fandresen-dahatra intsony i Madagasikara fa mpiara-miombon’antoka ary tsy safidy ara-potokevitra ny angovo azo havaozina fa tena fototra ilaina amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-piarahamonina. Ireo mpampiasa vola eto Madagasikara amin’izao fotoana izao dia mandray anjara amin’ny iray amin’ireo hoavin’ny angovo lehibe indrindra aty amin’ny ilabolan-tany atsimo fa tsy ho amin’ny tetikasa mahomby fotsiny ihany. Efa nambaran’ny Kolonely tamin’ny lahateniny voalohany, fa manao fampiasam-bola amin’ny 4,5 miliara aty Afrika ny firenena Emirats Arabes Unis ka maniry ny mba hisitraka izany i Madagasikara ary maniry tsy ho mpiara-miara-miasa fotsiny fa ho mpiara-miombon-antoka maharitra. Niantso ny hampiasana ny tolotra ao amin’ny South Global mba ho milina enti-manalefaka ny entona karbona eran-tany ary ho seha-pikarohana amin’ny fampandrosoana lovain-jafy ny Filoham-panjakana izay nilazany fa miposaka ny masoandro ho an’i Madagasikara, miaraka amin’izay ihany koa ny vanim-potoana vaovao momba ny fahaleovantena amin’ny angovo sy ny fampandrosoana lovain-jafy,...
Toky R