airtel

Actualités

19-juin-2024

Angovo azo havaozina

Trano maherin’ny 50 000 any SAVA hahazo herinaratra…

Sample post image

Voasonia ny fiaraha-miombon’antoka ara-bola eo amin’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny

19-juin-2024

fitantananam-bola sy ny KFW Banky Alema momba ny fampandrosoana amin’ny fanohanana ny tetikasa ERER III (Electrification Rurale par Energies Renouvelables phase III) mitentina 18 tapitrisa euros. Tanjona ao anatin’io ny hamatsiana herinaratra ireo faritra ambanivohitra mbola tsy misitraka izany ao anatin’ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny toekarena maharitra, miainga amin’ny fitrandrahana angovo any amin’ny Baie d’Antogil. Ny ADER (Agence de Développement de l’Electrification Rurale) Sampan-draharaha miantsoroka ny fampiroboroboana ny angovo eny ambanivohitra no hiantsoroka ny fanatanterahana ny asa, ka tanàna 170 amin’ny kaominina 138 ao anatin’ny distrikan’Andapa Sambava, Vohémar, ary Antalaha no hisitraka izany. Trano maherin’ny 50 000 no hisitraka an’io. Haharitra hatramin’ny 2029 ny tetikasa ERER III ary hitondra fihatsarana amin’ny fari-piainana ankampobeny sy hitondra fivoarana amin’ny tontolon’ny asa sy ny fidiram-bolan’ny mponina eny ambanivohitra ao anatin’ny Faritra SAVA, raha ny tatitra amin’ny ankampobeny. Voasokajy ho tetikasa fakan-tahaka mikasika ny fampandrosoana maharitra moa ity tetikasa ity, ka andrasana izany ny fahatanterahany. Vao omaly no notaterina teto fa firenena faha-9 maneran-tany fadiranovana ara-angovo i Madagasikara izay ny 36% amin’ny mponina no voalaza fa misitraka herinaratra. Mbola betsaka ny ezaka mila atao, ary mila mikaroka vahaolana ivelan’ny Jirama izay tena mbola ao anaty lavaka mangitsokitsoky ny krizy isika. Zava-dehibe noho izany ny firosoana tsikelikely makany amin’ny angovo aza havaozina, ary mila velarina sy hampiroboroboana ny tetikasa manodidina an’izany, izay tsy tokony hionona sy hiantehatra lava amin’ny Fanjakana fa mila sokafana hivelatra amin’ny sehatra samihafa. Anisan’ny mbola olana eto Madagasikara mantsy ny endrika fangejana sy famatorana amin’ny famokarana miorina amin’ny solika ka mety hisy vondrona matanjaka ho voakitikitika tombotsoa.
Toky R

 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Misy toe-javatra mampiahiahy ao anatin’ny Fanjakana, indrindra fa eo amin’ny lafiny fikirakirana sy fanamarinam-bola ?

Card image cap
07-févr-2025

Ireo fikambanana, ONG ary mpiara-miombon'antoka rehetra nisitraka famatsiam-bola

Card image cap
07-févr-2025

Mahatratra 60 isa isan’andro eo ho eo ny fangatahana fisaraham-panambadiana tonga

Card image cap
07-févr-2025

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra no tsy mahalala ny asan’ny mpamonjy voina sy ny tena

Card image cap
06-févr-2025

Nihatra nanomboka ny alin’ny 04 febroary 2025 ny fanitsiana ny vidin-tsolika eto Madagasikara izay lazaina fa

Card image cap
06-févr-2025

Tsy rariny raha olona milaza ny mba maharary azy no ampidirina am-ponja,

Card image cap