airtel

Actualités

13-oct-2021

Actualités

Anjanadoria Ambohidratrimo Trano 22 tafo no may, olona miisa 81 no traboina

Sample post image

Trano 22 tafo no may tsy nisy noraisina tao amin’ny fokontany Manankasina, kaominina Anjanadoria Ambohidratrimo ny alin’ny alatsinainy teo, raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana omaly.

13-oct-2021

 Miisa 81 kosa ireo olona traboina vokatr’izany. Mangataka ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana, hoy ny ben’ny tananan’Anjanadoria, Miaramisaina, ny amin’ny mba hanomezana tombon-dahiny ireo traboina amin’ny fizarana ireo zezika sy masomboly efa tonga hahafahan’izy ireo manarina ny fahavoazana vokatr’izao voina izao. Mitoby ao amin’ny trano fiangonan’ny FJKM sy ny trano vadim-piangonana ao an-toerana hatreto ireo traboina. Nisy kosa ireo nanana havana afaka nandray dia mba noraisin’ny havany, hoy hatrany ny fanazavany. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy iny alina iny ihany, teo amin’ny 11 ora sasany alina teo moa, ny depioten’ny distrikan’Ambohidratrimo, Jhonny Rakotoarisoa, nitondra ny voatsirambin’ny tanany ho voin-kava mahatratra. Ora 5 nialoha izany kosa no niandohan’ny afo tamina tanety may, raha ny fanazavana. Nahery be ny rivotra ka lasa tany amin’ireo trano tafo bozaka ny ankamaroany ary niteraka io loza be io. Tsy nisy natoriana ny olona satria ny dahalo koa tsy mampandry fahalemana any an-toerana. Mbola niambina ny biby fiompy kely sisa velona ireo mponina. 65 km miala an’Antananarivo eo moa no misy ity kaominina ity, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Efa fantatra izao ny tena ilain’ny vahoaka maika, hoy ity depiote ity, dia eo ny tafo fanitso satria tapitra may ireo bozaka. Eo koa ny hazo hametahana izany. Ankoatr’izay ny lamba firakotra, kojakoja an-dakozia toy ny vilia, vilany, sotro, kaopy. Hampitaina sahady amin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny izany, hoy izy, toy ny BNGRC. Eo koa ny masombola, araka ny efa voalaza teo, izay iantsoko ny ministeran’ny fambolena mba omena manokana ireto traboina ireto satria ny vokatr’izy ireo koa dia may avokoa, hoy hatrany ny tenany. Miantso ny minisitry ny fanabeazam-pirenena koa ity depiote ity satria may tao an-trano koa ny fitaovam-pianaran’ireo mpianatra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap