airtel

Actualités

11-juil-2022

Actualités

Antalaha Lehilahy iray nandrahona hitifitr’olona

Sample post image

Lehilahy iray, 43 taona ny faran’ny herinandro teo no tratra nitazona basy vita gasy sy nandrahona hitifitr’olona tany amin’ny distrikan’Antalaha.

11-juil-2022

Tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro raha tsiahivina dia nahazo antso ny Polisy tao amin’ny CSP Antalaha mahakasika ny fisiana lehilahy iray mandrangaranga basy vita gasy iray ary mandrahona ny hitifitra olona tao Ambelatra, fokontanin’Ambatomitraka, kaominina an-drenivohitr’Antalaha. Nidina ifotony avy hatrany ny Polisy taorian’izany ka hita tao an-toerana tokoa ilay lehilahy sy ny basy vita gasy teny an-tanany. Nosamborina avy hatrany ity farany ary nentina nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny CSP Antalaha. Tsy mbola nahatifir’olona moa izy raha tsiahivina ary tsy nisy olona naratra tamin’ity tranga iray ity ihany koa. Mbola mitohy ny fanadihadiana.
Pati
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa 250 tapitrisa dolara na 1200 miliara

Card image cap
19-avril-2024

Amin’ny volana may 2024 no hanomboka miandalana ny asa fananganana ireo foibem-pamokarana

Card image cap
19-avril-2024

Nampahafantarina ofisialy omaly teny Andraharo misy ny foiben’ny orinasa Telma ny MVola Fô,

Card image cap
19-avril-2024

Raim-pianakavina iray no fantatra fa maty voatsatok’antsy teo amin'ny lamosiny sy ny kibony tany Antanimalandy

Card image cap
18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap