mandritra ny 5 andro eo. Antony ny andrana sy fampifandraisana ny milina faha-4 na G4 ao Andekaleka amin'ireo milina 3 hafa, izay mila fampitsaharana tanteraka ny foibe mpihary herinaratra. Hampiakarana ho 120MW ny tanjak’Andekaleka io, ka manodidina ny 33MW eo ny tanjak’io G4 io. Tsy maintsy hisy noho izany ny delestazy goavana manomboka hifandimby ho an’ny tambazotra RIA. Amin’ny 10 ora alina hatramin’ny 5ora maraina ny fahatapahana hifandimby ao anatin’izay fe-potoana izay. “Hatao amin’ny faran’ity herinandro ity ny asa famaranana rehetra. Tsy maintsy hijanona, ary hiverina hiditra amin’ny RIA. 89 ny vokatra tsy voazara ho an’Antananarivo. Hitombo ny fahatapahana mifandimby…”, hoy ny fanazavan’ny Tale Jeneraly lefitra misahana ny herinaratra eo anivon’ny Jirama Désiré Marcel Randrianarisoa. Mahatratra 89MW ny tambazotra RIA. Raha 260MW eo ny filàna farantampony ho an’ny RIA, dia ho lasa 189 no afaka sitrahana amin’ny atoandro, ary 167MW kosa ho an’ny alina. Na eo aza ny ho fahavitan’ny G4, tsy afaka hamatsy 120mw feno Andekaleka, raha tsy any amin’ny fahampian’ny tosiky ny orana any amin’ny volana desambra na janoary. Ho henjana izany delestazy ao anatin’ny 4 na 5 andro manaraka eo izay nolazaina fa manodidina ny 2 na 3 ora ny ho fihodiny.
MBOLA TSY HAHAVAHA NY DELESTAZY
Milaza ihany koa ny Jirama, fa misy ny andrana ho an’ny Transformateur miisa 2 eny Ambohimanambola, izay heverina fa hanaimavanana ny fiantraikan’ny fahatapahan’Andekaleka. Na izany aza, efa mitaintaina ny sehatra ara-pihariana mampiasa herinaratra rehetra. Ao ny efa mikolay sahady fa tsy maintsy hihena ny famokarana kanefa ny kaomandy mety efa voaray, ny vesatra betsaka ny famokarana tsy misy,… Na orinasa goavana na ny seha-pihariana madinika lasibatra avokoa. Mba efa nokajian’ny Fanjakana ve ny fantiantoka iray lavaka aterak’io? Inona no setriny sy ny fanonerana sa vitavita ho azy hatrany? Inona no antoka fa hivaha amin’izay ny olana? Tsy mbola misy antoka mazava fa hivaha ny delestazy aorian’io, raha toa ka tamin’ny volana janoary no nilazan’ny Filoha Rajoelina fa ao anatin’ny ka hatramin’ny 8 volana no hivaha ny. Asa ho tratra tokoa ve ilay hoe: fahaleovantena sy fizakan-tenan’ny Jirama hatramin’ny 2025 ?
Toky R
Tsy manana ben’ny tanàna voafidim-bahoaka I Moramanga Renivohitr’i Bezanozano, fa ben’ny tanàna mpisolo toerana napetraky ny fanjakana no misy.
Namoahana fampitandremana sy fampiomanana tamin’ny alalan’ny filazana loza manambana ny faritra maro amin’ny lemak’Antananarivo izay lalovan’ny reniranon’i Sisaony.
Andrasana indray moa ny fanazavan’ny tompon’andraikitra fa dia ankoatry ny fikorontanan’ny famatsiana herinaratra
Efa saika miomankomana amin’ny fankalazana ny fetin' ny mpifankatia indray ny rehetra amin’izao faramparan’ny volana Janoary izao.
Nivory maika ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny birao nasionaly misahana ny loza voajanahary na ny BNGRC omaly hariva.
Niely omaly ny fisiana tranga tsy dia fahita tany Tafiankasika Ambilobe iny. Nisy mpivaro-kena iray nandeha nividy omby, nentiny tany amin'ny “abbatoire”