airtel

Actualités

02-mars-2022

Actualités

Antananarivo isaky ny fahavaratra Efa tena tsy voafehy intsony ny rano

Sample post image

Hita ho tsy ahavaha olana intsony ny tatatra marivo tsy misy afa-tsy alalina 1 metatra maheru kely io, rehefa mandinika ny rano tondraka eto Antananarivo isaky ny misy rotsak’orana na dia kely aza.

02-mars-2022

Tongasoa eto amin’ny reniranon’Ambohijatovo, hoy ny vazivazin’ireo tratr’orana teny an-toerana omaly. Toy ireny fiara anaty renirano ireny koa no hita teny Avaradoha teny, efa tafiditra an-trano ny rano teny Ambohidahy Ankadindramamy, ny eny Besarety moa dia ny omaly tsy niova fa rano be hatrany tahaka ny eny Andravoahangy ihany. Ny eny Soanierana, indrindra, ny manodidina rehetra an’iny chocolaterie Robert sy ny Batpro iny moa dia efa ela no naman’ny very fanantenana raha izay resaka vahaolana momba ny rano tondraka izay no lazaina. Latsaka ambany ireny dobo filomanosana ireny. Tsy misy dikany tamin’ilay rano tondraka akory ireo vola nolaniana tamin’ny fanamboarana sy fanadiovana ireo tatatra manana alalina ankapobeny voalaza teo. Misy tatatra azo lazaina fa lalina tokoa namboarina tamin’ny sisin-dalan’i Soanierana 3 taona lasa izay, mba hamarina ny rano ao amin’ny lakan-dranon’Andriantany; saingy rehefa mivatravatra ny filatsaky ny rano be avy any Soanierana ambony , dia tondrana ihany ny ety ambany Efa tsy maintsy ilay lakan-drano ambanin'ny tany goavambe tahaka ny tonelina any am-pitan-dranomasina ireny angamba no ilaina hahatafarina ny toe-draharaha, hoy hatrany ireo soso-kevitra. Mbola hitohy anefa ny orana. Ho an’ny toetr’andro nanomboka omaly hatramin’ny 06 martsa izao, misy tangoron-drahona matevina ao amin'ny faritra avaratra atsinanan'ny nosy izay arahi-maso akaiky ny mahakasika azy, hoy ny Météo Madagascar. Hitohy ny oram-baratra ho an’ny faritra Avaratra Andrefana sy ny atin-tany. Somary hibahan-toerana ny rahona na handrahona mitsitokotoko ho an’ny faritra hafa, hoy ny Météo Madagascar. Mila mitandrina ny rehetra amin’ny oram-be mety hiseho ao anatin’ny fotoana fohy, ka mety hiteraka fahavoazana, araka ny toromarika.
J. Mirija sy Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

Mbola tsy misy jiro any Sambava hatramin’ny omaly, mbola miandry ny fahatongavan’ny solika avy any Antalaha !

Card image cap
18-avril-2024

Na kandida tanaty fitondrana aza nisy tsy nahazo ilay taratasin-ketra «211 bis» ary maro,

Card image cap
18-avril-2024

Zazalahy kely iray vao 13 taona monja, mpianatry ny sekoly tsy miankina MDF Bealanana no hita faty

Card image cap
18-avril-2024

Lehilahy iray 36 taona, monina ao amin'ny Fokontany Mangabe no fantatra fa nanaparitaka

Card image cap
17-avril-2024

Nodimandry teo amin'ny faha-77 taonany ny Tale jeneralin'ny Apipa teo aloha Rateloson Philippe.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy resaka mandeha intsony fa tena rakotra tera-tany Karana Indo-Pakistanais ao anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

Card image cap