airtel

Actualités

16-sept-2021

Actualités

Antananarivo Mitombo isa ireo marary saina miriaria eny an-dalam-be

Sample post image

Mafy ny fiainana. Tsy misy izay tsy mahatsapa izany ny rehetra antony mampitombo ireo olona marary saina eto amintsika.

16-sept-2021

 Misy amin’izy ireny no mbola ara-dalana tsara ny sainy mivoaka ny trano saingy teren’ny adin-tsaina mafy eny an-dalana vokatry ny tsy fahampiana hany ka tsy miverina intsony ny sainy…Lasa mitombo be ireo olona marary saina noho izany izay tsy hanavahana sokajin-taona intsony. Misy amin’izy ireny anefa no mandeha tsotra toy ny rehetra ihany rehefa eny an-dalana raha misy ihany koa ireo mamono mandratra mihitsy ka ilana fitandremana. Adala iray indray omaly no nively olona tamin’ny hazobe tetsy Anosy saingy nahay niala ity farany. Tovovavy iray marary saina ihany koa no nisasa imasom-bahoaka teny Analakely raha vantany vao nahita rano… Raha araka ny fantatra moa dia andraikitry ny kaominina feno ny mandray an-tanana azy ireny ary mandefa azy any amin’ny ivon-toerana tokony hisy azy aorian’ny fifanarahana hifanaovana amin’ny fianakaviany. Tsy dia hita taratra loatra eto amintsika anefa izany, antony mampivangongo ireny olona marary saina ireny etsy sy eroa koa hanaovana antso avo amin’ireo tompon’andraikirra. Ho an’ireo hita fa tena mamono sy mandratra ny mpiara-belona dia tokony hisy ny fepetra raisina mikasika azy ireny.

Pati
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap